lun.

07

févr.

2011

Fiakaran’ny vary aloha: “Mahafatra-po fa tsy mahavita taona”

“Toy ny vary aloha, mahafatra-po fa tsy mahavita taona” : Oha-pitenenana tena mitombina io amin’izao fiakaran’ny vary aloha izao. Ny eto amin’ny manodidina an’Antananarivo aloha no hita taratra fa tena nahafa-po ireo tantsaha ny vokatra niakatra amin’ny faritra sasany. Anisan’izany etsy amin’ny Betsimitatatra, Alasora, Fenoarivo, Sabotsy namehana, sns…Raha oharina amin’ny isan-taona dia niakatra kokoa ny vokatra. Manantena fidinan’ny vidim-bary eny an-tsena ny mponina saingy araka ny nambaran’i Ra-Maria mpamboly etsy Ambodimita dia tsy mivarotra vary amin’io vokatra voalohany io ny mpamboly. Hohanina hatramin’ny fambolena vary vaky ambiaty ny vary ary na mivarotra aza dia ampahany kely ihany. Nanomboka tamin’ny fiandohan’ny volana janoary ny fiakaran’io vary aloha io, ka mitohy hatramin’izao volana febroary izao, ho an’ireo taratara rano vokatry ny fihantonan’ny orana. Tsy mampihena ny vidim-bary amin’izao fotoana izao izany ity fiakaran’ny vary vao ity. Fotoana fiomanana amin’ny fambolem-bary tena izy kosa ny fialan’ireo vary aloha teny an-tanimbary, ka avy hatrany dia manomboka ny asa tany, misy aza no efa mamafy ketsa, ary eo koa ireo efa manetsa. Mifaly havanja ny tantsaha manodidina ny renivohitra fa na mividy vary eny an-tsena aza dia tsy voatery hihafy amin’ilay lafo be. Tsaratsara kosa ny fiomanana fa ho ampy ny enti-manana, raha tsy hoe angaha manao ny ataony indray ny rotsak’orana ka mety tsy hanarapenitra.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra