sam.

05

févr.

2011

Tsy mazava e !

Asa raha toa ka efa mahalala sy mahazo ny tena tian’ilay sori-dalana natolotry ny Dr Simao Leonardo, iraky ny Sadc, avokoa ny Malagasy amin’izao fotoana izao. Sori-dalana eritreretiny hitondrana ny « tena » tetezamita tokony hampiharina eto amin’ny tanindrazana. Raha ny marina, dia sori-dalana manana anjara asa maro izy ity. Voalohany, ary izay no tena mahamaika aloha, hatreto, dia ny hamahana ny olana misy. Inona àry ilay olana ? Tsy misy afa-tsy ny tsy fifanarahan-tsain’ireto milaza ho Malagasy mpanao politika ireto. Ny hilaza marin-drano ny mahatonga « ilay » olana, hanano sarotra ihany satria vao mainka hampivaky ny efa mitresaka indray. Ankoatra ny fisian’ny ankolafy efatra be izao, mbola etsy andaniny koa ny vondron’olona na antokon’olona nisaraka tamin’ny namany ka niezaka ny handeha irery. Asa… te hanana ny anjarany manokana angaha ! Ao ihany koa ireo mitonona ho mikambana amin’iz atsy na izaroa kanefa maneno irery ery am-toerany ery...................

Endrika faharoa tokony novahan’ity sori-dalana ity ny famaritana ny andraikitr’izay hitantana ny tetezamita (vaovao ?). Manampy an’io ny tsy fahafantarana velively ny faharetan’ny fotoana tetezamita. Mandra-pahoviana hono izy io ? Raha izay mantsy, azo atao tsara ny mampitarazoka azy ity. Raiso an-tsaina fotsiny : firy andro no hahavitan’ny fitondrana tetezamita ho avy eo ny fametrahana ireo andrim-panjakana vao havaozina (fa tsy ravana akory hanorenana vaovao an !), toy ny governemanta (izay nangataka taona iray manontolo na mihoatra aza, mandrak’ity ny androany) ; ny ho « solombavam-bahoaka » sy « loholona » hotendrena hafa, hanampiana ny efa ao ; torak’izay ny ao amin’ny CENI. Adidy miandry ny filohan’ny tetezamita avokoa izany. Hanampiana ireo rehetra ireo (izay tsy zava-mora akory), ny fanavaozana ny sata hifehy ny fifidianana ; ny lalàna hifehy ny antoko politika ; ny fametrahana, fanabeazana sy fanentanana momba ny biletà tokana ; fanavaozana ny lisi-pifidianana ; ary farany ny fandaminana ny mety ho fandaharana izay fifidianana mboal tsy maintsy hokarakaraina. Rariny ve raha toa ka tsy ekena io sori-dalana tsy manoritra zava-mazava io ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra