sam.
05
févr.
2011
Feno hipoka ny efitra Ravinala tetsy amin’ny Carlton Anosy, omaly alakamisy 03 febroary 2011. Nanomboka ny maraina dia efa nivorivory nanao andiany teo ny olona vitsivitsy, ary nitombo miandalana izany, na dia nisy aza ny feo niely fa nofoanana ity famorian’i Profesora ny vahoaka mpanara-dia azy ity, ary fotoana ihany koa hanaovany fanambarana mikasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Nihainohaino tety amin’ny manoloana ny tranom-bokim-pirenena kosa ireo mpitandro ny filaminana, nanefa iraka nampanaovina azy mba hiaro ny vahoaka sy ny fananany. Ampamoaka goavana no niseho tao, ary dia nandefasana horonantsary ny mpanotrona mba hanamporofoana amin’izy ireo fa misy dia misy ny fanondranan’ny mpitondra avo Rajoelina Andry ny harem-pirenena toy ny andramena (bois de rose); izay hifampiraharahany mivantana amin’ny teratany Sinoa mpanefoefo iray any Shangaï any. Noventesiny ihany koa ny fijoroana vavolombelona nataon’ny olona iray (na maromaro?) tamin’ny vonoan’olona nitranga teny Ambohi t sorohi t ra, ny 7 febroary 2009, ary nisintonany ny sain’ny rehetra fa tetika voalamina sy tsy avy tao anaty lapa velively no niavian’ny tifitra tamin’iny andro nanjombona ho an’ny Malagasy iny..............
Hidina an-dalambe Tonga nanot rona ny Profesora Zafy tamin’iny omaly iny, ankoat ra ny mpomba azy sy ny vahoaka marobe, ireo avy amin’ny ankolafin-kery hafa. Hita teny an-toerana ohatra, ry Rakotoarivelo Mamy, ry Rakotonirina Manandafy, Rakotovazaha Olivier, Tsiranana Ruffine, Ralaiseheno Guy Maxime sy ny maro hafa. Nisongadina tamin’ny fanambarana nataony àry fa tsy misy dinika azo hifanaovana amin-dRajoelina Andry intsony noho ireo toetra mamohehatra nataony nandritra ny fitarihana ny tolona mivolon-daoranjy sy nitantanany ny tetezamitany nandritra izay roa taona izay. Miantso ny hery miaramila izy mba haka tahaka ny fihetsik’ireo tany Tonizia farany teo, ka tsy hampiseho herisetra amin’ireo vahoaka tsy te-hiaritra intsony ny fampahoriana sy ny fahavoazana ara-tsosialy manjo azy. Nolaviny marindrano ary tsy mihevitra ny hanao fanitsiana akory ilay « teti-panorona » navoakan’ny Dr Leonardo Simao ny tenany, ary nohamafisiny fa mbola tsy misy tetezamita mijoro akory eto amintsika. Tsy mendrika ny hofahanana lainga sy entina amin’ny teritery ny Gasy, hoy hatrany ity raiaman-drenin’ny demokrasia sy ny fampihavanam- pirenena ity, ka noho ny tantara tsy tokony haverimberina sy tsy hitohizan’ny krizy lavareny dia tsy mendrika ihany koa ny hitantanan’ny olona mahavita mandroba ny fananam-bahoaka, toy ny mpitondra Avo Rajoelina Andry ; tsy mendrika ny hijanona maharitra amin’ny fibodoana ny fahefana ho azy samy irery. Koa manomboka iny omaly iny, dia manentana ny Gasy hidina an-dalam-be ho fanoherana ny fitondrana mpibodo fahefana sy tsy mety hisian’ny fiaraha-mitantana marina, ny tenany sy ny mpomba azy.
Sehatra iraisam-pirenena Hita soritra tamin’it y fanambarana miendr ika fanentanana nataon’ny Proferora Zafy ity, ny tsy faharisiany mbola hiroso hanohy ny dinika amin’ireto mpitondra avon’ny tetezamita ireto. Nambarany mantsy fa hofongorina hatramin’ny fotony ny governemanta sy ny fitondrana FAT iray manontolo. Efa noravandRajoelina Andry, hoy izy, ny maha-filohan’ny tetezamita azy teo imason’izay tontolo izao tamin’ny alalan’ilay « charte de Maputo », koa tsy hisy sehatra iraisampirenena hankatoa sy mbola handany andro amin’ny olona mivadibadika ary tsy mety hirosoana any amin’ny fiaraha-mitantana marina toy izany. Tsy maintsy hirosoana eo amintsika samy Gasy ny tena fampihavanana marina, ka hataony vaindohan-draharaha ny tsy hiverenan’ny krizy mampikaikaika hatrany ny vahoaka izay nambarany fa voatery miharitra ny mafy noho ny hetraketraky ny mpanao politika tsy mitsinjo afa-tsy ny hamikirana maharitra eo amin’ny fihazonana ny fibodoana fahefana.
Efa tampon-dalankaleha ve ry zafy de lasa miteniteny foana toi a.Toa tsy miombon-kevitra aminareo intsony ilay vondrona iraisam-pirenena sy ilay SADC izay nivavahanareo hatrizay de lasa mitapy ianareo.Tsy misy olona hiaino anareo intsony eto amin'ny firenena fa tena mpandainga raindahany mihitsy.Ra carlton indray aloha de kely mihitsy ra ao no hamory olona e.Tsy feno intsony magro de mitady toerana mba kelikely e.Samy mba afaka mampiseho vidéo ko nge isika e!saingy efa hita ny marina rehetra teny antaninarenina iny e.Efa nahazo sary an'iny daholo ny haino aman-jery rehetra.Jerevo ny vidéo @07 février ao @TVM.Tena ianareo mihitsy ange izany ry Zafy sy ny mpiraka aminy no manondrana an'ireny bois de rose ireny matoa hanananareo ilay vidéo e.Izy moa no haka sary any raha tsy mpanapaka hazo ihany e.
Ho an'ilay mitononona ho GTT
GTT sndoka ianao, ny GTT dia manohana ny santan'i Maputo sy Adis Abeba ary manala Rajoelina sauvage.
Tsy de mpanaraka politika loatra aho satria tsy mikendry fitondrana. Efa mihantra ama'aina anefa ny atao reto olona reto ka mba hiteny. Ory Joelina ah ! ho amppitomboina 50 taona indray ve ny
fanjanahana eh ! Ry tsirahonana moa de tena hita fa kely ray pipetzapetza am'ny frantsay ka tsy menatra ny hivarotra tanindrazana.
Ho an'ny vahoaka tonga saina sy izay afaka miteny. Raha tsy mihetsika izao isika de ho karama vrimasaka mandritra ny 50 ataona indray eh !
tena vedrana mahitsy ilay GTT ery ambony iry,hefa hita sambo hefa hiredrika mbola hatsaraina ihany ,zay TGV ary zao hefa manomboka hivoaka fa hefa mitady ho lany sauvetage,hefa hita fa bois de rose no nividianana gasoil napadehanana ny sambo mbola manatsara tena ihany ilay andry rajoelina ,hefa mitady ho lany ilay gasoil de mitady hiatsapy any afrika indray no mitady hande hataovy fa hifanena amin'ny piraty ny somalian any io sambo very lalana io ,simao tsy SADC fa mety hefa piraty mitaridalana ko io mba mailo ry malagasy fa ny sambo ane ka tsy voizina e mila gasoil io ary rehefa lany ny gasoil tsy ho hatsipin'ny olona any anaty rano any ny comanda d ireto mitaingina maro be ho aiza iza no hijery anareo eny ampivon drano eny diso lalana ny sambo i andry rajoelina e hiverina hafabaraka hadroso ho tratran'ny piraty aty afrika vao miditra ao afrika tonga dia i DADA no mitsena azy ao .raha za ireo mitaigina sambo ireo miala ao fa ratsy io ary ireo zay tsy tafiditra aza miditra fa midikizo.mivavaka ho anao za pr zafy mba hahomby ny tolona fa mitady lasa lavitra ity sambo ity fa halefao ny vedette haingan pandeha.hajaexport
Mba hainareo mo ny fanalavana an'io GTT io?Tsy sandoka zany io.Ndry!!! mivavaka mafy @le olona efa empêché sisa ny zanaky ny dadany fa dadan-ndry zareo efa tsy azo antenaina tsony.Atao ahoana e! zay
le fiainana.le resaka sambo ndray alou de tsy de manakambara zà e.mbola tsy naita sambo teny Iavoloha zà.misy de marary fo mitsy isanandro zao.Ze tetika ratsy atao eo magro tsisy mahomby mitsy.mba
milaza fa ratsy ny fanonganam-panjakana nefa isanandro zao mitady fika hanonganana ny tetezamita efa ara-dalàna tsara io.52% maery nge ny taham-pahavitrihana t@17 novembre 2010 e.Ny communauté
internationale aza tsy maita ho kianina t@iny.Zay fa bonne chance daolo ho an'izay hamaly ity aingam-panahiko ty.Okay.
tsimegnatra zafi adino falegnan i R8 anao taloha sa tsimanankazodamosina marina gna tanindrana araka hoambolana hoe batsirebaka navidindramerina i Zafi syR8 olo reraka manonofy daholy
