sam.
05
févr.
2011
Tsy zava-baovao intsony kosa angamba izany : afaka manao firaisana ara-nofo soa aman-tsara ny mpivady, na mitondra vohoka aza ramatoa. Na izany aza anefa dia misy toe-javatra tokony hotandremana ihany ireto. Mila tandrovana fatratra ny fahadiovana na ho an’ny reny, na ho an’ny ray. Ahiana kokoa ho an’ny fifindrana sy ny fidiran’ny otrikaretina ny fotoana fitondrana vohoka, ka mila mitandrina. Matetika dia feran’ny mpitsabo ny isan’ny firaisana ara-nofo ataon’ny mpivady raha toa ka miandry kambana ilay reny. Ny fisorohana ny fahaterahana tsy tonga volana no voalaza ho antony. Raha ny filazan’ny manam-pahaizana manokana, ankoatra ireo, dia tsy tokony ho fady velively ny firaisana ara-nofo mandritra ny vohoka. Misy ireo mpivady mankafy izany, misy kosa ireo tsy tia. Misy fomba hafa azo iainana ny fananahana ihany koa, tsy voatery hoe misy “pénétration”. Vitsy ny renim-pianakaviana mahasahy manontany ny mpitsabo momba izay fiainana ara-pananahana mandritra ny fitondrana vohoka izay. Tsy tokony hisalasalana anefa izany. Ny mpitsabo irery ihany no mahafantatra ny toe-pahasalaman’ny reny sy ny zaza ao am-bohoka, afaka manampy tsara manoro hevitra ny amin’izany. Tonga amin’ilay hoe “aleo manontanontany foana toy izay manaotao foana”.