ven.
04
févr.
2011
Tsy hisy ny hahazo fahafaham- po mihitsy akory ny ankolafin-kery rehetra, fa tsy maintsy hisongadina ny fifampandeferana eo amin’ny tsirairay, ary izany no mety ho tena herin’ity « soritra vaovao » homenay ity. Io no fototry ny resaky ny mpanelanelana avy amin’ny SADC notarihin’ny Dr Simao. Tsy maintsy hisy izany ny hihevi-tena ho mahazo tombony sy nitombo hery kokoa. Dia hisy koa ny hangorera eo ankilan’izay. Rajoelina Andry no ho tompo-marika amin’izay fomba hitantanana ny tetezamita hohavaozina, tsy ho azo hantenaina ny fodian’Ingahy Ravalomanana raha tsy tafajoro sy hitoetra ny governemanta iraisana sy fahefana miantoka ny filaminan’ny tany sy ny firenena. Tsy maintsy dinihina sy hampiharina ihany koa anefa ny famotsoran-keloky ny gadra politika nandritra ny savorovoron’ny taona 2002 sy 2009. Dia mbola voasoritra koa fa tsy maintsy ho vitaina hatramin’ny 30 novambra ny fifidianana ho filoham-pirenena sy ny ho solombavam-bahoaka. Misy ny endrika mirana raha mbola tsy nisy sonia notanterahina akory tamin’io « tetika SADC » io. Nisy ny kivikivy sy mototra avy hatrany rehefa mba nakàna ny heviny. Fa ny tena azo antoka dia saika miandry «tataka» daholo ny zatra mijapy hatrizay. Hitombo indray ny fe-potoana «hilalaovana». Nomen’ny mpanelanelana «additional time» tsinona...........
Tsy hahafahana mijery tombony ho an’ny tsirairay Tsy misy kajikajy azo hatao, raha ho tanteraka soa aman-tsara ihany ity hevitra vaovao sy fomba hitantanana ny tetezamita hohavaozina ity. Very an-javony ny hery sy dingan’ny mpitondra avo tamin’ilay fitsapan-kevibahoaka. Mbola any ankibon’ny omby ny Repoblika vaovao. Mety hisy hevitra hafa hivoaka indray ka hiaraka ho fidiana ny lalàmpanorenana sy ny filoha hitarika ny Repoblika, izany hoe: hisy volavolan-dalàmpanorenana marobe sy kandidà ho filoha marobe mifanaraka amin’izay. Ny resaka fifidianana solombavam- bahoaka sy ny ho ben’ny tanàna, ary ny lalàmpifidianana hampiharina dia tsy ho vita vetivety. Dia aza manonofy mihitsy isika fa hisy filoha vaovao izany rehefa tapitra ny 30 novambra voalazan’ny « faminanian’i Dr Simao ». Tsy mbola ho azon’iretsy mpomba azy hantenaina koa arak’izany ny fiverenan-dRamose (sy ry Deba) satria tsy maintsy hisy ny vondrona vaovao tsy hanaiky ny fomba hizoran’ity tetezamita nohavaozina ity. Tsy maintsy hisy fihetsiketsehana hanohitra ny fanapahan- kevitra hizorana. Tsy maintsy hahazo vahana izany fihetsiketsehana izany satria hiova tsy ho toy ny fihetsiky ny mpitondra avo ny ho fihetsiny tsy maintsy havaoziny. Ireo gadra politika voatonontonona hatrizay (hatramin’ny 2009) dia hitombo tanjaka saingy tsy hanana tetika mahomby satria tsy ho azo antoka ny hevitra vaovao harosony. Dia ahoana ny momba ireo voarohirohy arapolitika tamin’ny taon-dasa 2010 ? Sarotra ny lalana mety hivoahan’izy ireo ny fonja. Noho ireo antony rehetra ireo dia tsy maintsy hisy « hivadibelirano » indray na dia hifanarahana sy hifanekena aza fa havaozina ny hery manetsika ity tetezamitan-dRagasy izay homen’ny mpanelanelana hasina ity.
Mety tsara amin’ny mpijapy Hahazo vahana ny mpanao politika mpanara-dia ny hevitra Ramasabomanga. Hifaly havanja ny mpanaraka ambokony sy te-hifikitra lalandava amin’ny tsy fahombiazana efa nisy teo aloha. Hitombo ny sehatry ny resabe tsy mitondra ady hevitra matotra satria hitombo isa ireo mpitangorongorona any anaty lapa any, kanefa tsy manan-kevitra hotanterahina akory. Ireny mpanao politika Gasy tsy vonona ny hisedra fifidianana ireny dia hahita tombony mandritra izao tetezamita hohavaozina izao. Tsy maintsy hitady hevitra ny hanitarana ny famaharany amin’ny toerany izy ireo. Ho azony antoka izany satria tsara toerana ny mpiaro azy ireo amin’ny fomba nahazatra hatrizay. Tsy avelany ho tanteraka eto velively izany fitoniana izany satria io no antoka hiverenan’ny mpifaninana tena vonona hanilika izao fihazonana fitondrana izao. Dia efa miomana avy hatrany ny Gasy madinika fa raha hanampy antsika ny sehatra iraisampirenena amin’ny fandaniam-bola amin’izay fifidianana ho tanterahina, dia hitombo ny trosantsika, hitombo ny fandaniam-bolam-panjakana noho ireo mpitondra « vaovao » t s y ma int s y hovokisana, hihen-danja amin’izay ny volantsika noho ireo antony ireo, ary hitombo hatrany ny vidim-piainana andavanandro. Hijaly ianao fa miomana hiatrika fahoriana. Efa lasan’ny hanam-bola (ireo mpijapy) ny lamba e !