ven.

04

févr.

2011

Pr ZAFY sy ny mpomba azy : Manentana ny Gasy hidina an-dalam-be

Feno hipoka ny efitra Ravinala tetsy amin’ny Carlton Anosy omaly alakamisy 03 febroary 2011. Nanomboka ny maraina dia efa nivorivory nanao andiany teo ny olona vitsivitsy, ary nitombo miandalana izany na dia nisy aza ny feo niely fa nofoanana ity famorian’i Profesora ny vahoaka mpanara-dia azy ity, ary fotoana ihany koa hanaovany fanambarana mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny. Nihainohaino tety amin’ny manoloana ny tranom-bokim-pirenena kosa ireo mpitandro ny filaminana, nanefa iraka nampanaovina azy mba hiaro ny vahoaka sy ny fananany.

Ampamoaka goavana no niseho tao, ary dia nandefasana horonantsary ny mpanotrona mba hanamporofoana amin’izy ireo fa misy dia misy ny fanondranan’ny Mpitondra avo Rajoelina Andry ny harem-pirenena toy ny Andramena (bois de roses); izay hifampiraharahany mivantana amin’ny teratany Sinoa mpanefoefo iray any Shangaî any. Noventesiny ihany koa ny fijoroana vavaolombelona nataon’ny olona iray (na maromaro?) tamin’ny vonoan’olona nitranga teny Ambohitsorohitra ny 7 febroary 2009, ary nisintonany ny sain’ny rehetra fa tetika voalamina sy tsy avy tao anaty lapa velively no niavian’ny tifitra tamin’iny andro nanjombona ho an’ny Malagasy iny..........

Hidina an-dalambe

 

Sehatra iraisam-pirenena

Hita soritra tamin’ity fanambarana miendrika fanentanana nataon’ny Proferora Zafy ity, ny tsy faharisiany mbola hiroso hanohy ny dinika amin’ireto mpitondra avon’ny tetezamita ireto. Nambarany mantsy fa ho fongorina hatramin’ny fotony ny governemanta sy ny fitondrana FAT iray manontolo. Efa noravan-dRajoelina Andry, hoy izy ny maha-filohan’ny tetezamita azy teo imason’izay tontolo izao tamin’ny alalan’ilay "charte de Maputo", koa tsy hisy sehatra iraisam-pirenena hanakatoa sy mbola handany andro amin’ny olona mivadibadika ary tsy mety hirosoana any amin’ny fiaraha-mitantana marina toy izany. Tsy maintsy hirosoana eo amintsika samy Gasy ny tena fampihavanana marina, ka hataony vaindohan-draharaha ny tsy hiverenan’ny krizy mampikaikaika hatrany ny vahoaka izay nambarany fa voatery miharitra ny mafy noho ny hetraketraky ny mpanao politika tsy mitsinjo afa-tsy ny hamikirana maharitra eo amin’ny fihazonana nsy fibodoana fahefana.

Tonga nanotrona ny Profesora Zafy tamin’iny omaly iny, ankoatra ny mpomba azy sy ny vahoaka marobe, dia teo ihany koa ireo avy amin’ny ankolafin-kery hafa. Hita teny an-toerana ohatra, ry Rakotoarivelo Mamy, ry Rakotoniriana Manandafy, Rakotovazaha Olivier, Tsiranana Ruffine, Ralaiseheno Guy Maxime… sy ny maro hafa. Nisongadina tamin’ny fanambarana nataony àry fa tsy misy dinika azo hifanaovana amin-dRajoelina Andry intsony noho ireo toetra mamohehatra nataony nandritra ny fitarihana ny tolona mivolon-daoranjy sy nitantananay ny tetezamitany nandritra izay roa taona izay. Miantso ny hery miaramila izy mba haka tahaka ny fihetsik’ireo tany Tonizia farany teo, ka tsy hampiseho herisetra amin’ireo vahoaka tsy te-hiaritra intsony ny fampahoriana sy ny fahavoazana ara-tsosialy manjo azy. Nolaviny marindrano ary tsy mihevitra ny hanao fanitsiana akory ilay "teti-panorona" navoakan’ny Dr Leonardo Simao ny tenany, ary nohamafisiny fa mbola tsy misy tetezamita mijoro akory eto amintsika. Tsy mendrika ny hofahanana lainga sy entina amin’ny teritery ny Gasy, hoy hatrany ity raiaman-drenin’ny demokrasia sy ny fampihavanam-pirenena ity, ka noho ny tantara tsy tokony haverimberina sy tsy hitohizan’ny krizy lavareny dia tsy mendrika ihany koa ny hitantanan’ny olona mahavita mandroba ny fananam-bahoaka, toy ny mpitondra Avo Rajoelina Andry ny hijanona maharitra amin’ny fibodoana ny fahefana ho azy samy irery. Koa manomboka iny omaly iny, dia manentana ny Gasy hidina an-dalam-be ho fanoherana ny fitondrana mpibodo fahefana sy tsy mety hisian’ny fiaraha-mintantana marina, ny tenany sy ny mpomba azy.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra