ven.

04

févr.

2011

Ny tena fitiavana: Misy sa nofinofy ?

Olona iza eto an-tany no tsy mba manonofy izany fitiavana tokana, maharitra izany ? Nefa raha sendra voafitaka indray mandeha ny olona dia matetika tsy mino intsony ny tena fitiavana … Misy tokoa ve ny tena fitiavana sa nofy fotsiny ihany ? Ny tantaram-pitiavana sy ny angano matetika no anton’izay nofinofim-pitiavana izay, indrindra fa ho an’ny andriambavilanitra. Raha tena toy ireny tokoa moa ny zavamisy marina eo amin’ny olondroa mifankatia ! Manimba ny fitiavana eo amin’ny fiarahan’olon- droa anefa izay fanonofisana be fahatany izay. Tsy tokony ampifangaroana ny zavatra rehetra. Ny filana no tonga avy hatrany ho an’ny olona roa mifampisarika fa tsy dia ny fitiavana loatra matetika. Rehefa tena mifankafantatra tohin’ny fifaneraserana matetika ny olon-droa vao afaka miresaka fitiavana. Mivoatra manaraka ny toetrandro ny fitiavana...............

Tsy mipetra-potsiny amin’izao izy io fa mila fikarakarana hitomboany misimisy kokoa sy haharetany. Tsy misy mazia fa ny fahaizana mikolokolo ny fitiavana no mampaharitra azy. Anisan’izany ohatra ny fametrahana tetikasa iraisana, ny finiavana hiara-hanorina zavatra eo amin’ny fiainana. Tsy misy ny olona tonga lafatra ka tsy azo heverina ihany koa araka izany ny lehilahy na vehivavy tonga lafatra. Ilaina ny fifampiresahana ialana amin’ny zavatra rehetra mety tsy ho zakan’ny andaniny sy ny ankilany. Tsy tokony hatao filana ihany koa ny fitiavana, ankoatra izany. Ny olona falifaly, miramiran’endrika sy mahakarakara vatana matetika no mora tojo azy. Amin’ny ora tsy anampoizana azy mazana no mipoitra ny fitiavana. Koa adinoy hatreo ny nofinofy isan-karazany fa karakarao ny tenanao sy ny fiainanao. Tonga eny foana izy amin’ny fotoanany.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra