ven.

04

févr.

2011

Ny omaly tsy miova

Nivoaka ny sori-dalana avy amin-dry zareo ao amin’ny SADC, solontenan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Taratasy nosoniavin’ny dokotera Simao Leonardo. Mahavariana ihany ny mijery ny votoatin’ity sori-dalana ity. Volohany indrindra aloha, dia ny daty nahavitany : ny 20 janoary 2011. Kanefa dia ny talata 01 febroary vao naseho « vahoaka » ilay izy. Toy ny hoe, nandrasana aloha ny hahalalana ny filohan’ny Firaisana Afrikana vaovao voafidy tao anatin’ny fivoriambe natao tany Addis-Abeba vao nampahalalana ny vahoaka Malagasy ny lahatsoratra noraketiny. Araka ny vaovao, dia ny filohan’ny firenen’i Guinée Equatoriale, Théodoro Obiang Nguema, no nisolo toerana ny filohan’i Malawi, Bingu Wa Mutharika. Tafiditra anatin’ny vahohon’ny firenena vahiny izany izao ny kontinanta afrikana.............

Raha ohatra ka niandrandrana fiovana ny fisian’iny fivoarimabe afrikana iny, dia ho diso hevitra sy fanatenana ny maro, mpanaraka ny vaovao eto Madagasikara sy ny momba azy. Fa iza moa ity filohan’ny Afrikana vaovao ity ? Tsy dia tsara loatra angamba ny mampitaha azy amin’ny filoha libyanina, Kadhafi, na dia samy firenena mamokatra solika izy ireo. Ny iray any avaratra any, ny faharoa kosa naman’i Afrika aty atsimon’i Sahara. Malaza ho tsy dia ta mampihatra loatra ny demokrasia i Théodoro Obiang Nguema ao amin’ny fanjakany. Tia manjakazaka mihitsy e ! (na dia tsy mpanjaka aza). Ary raha toa isan’ny asa tsy miantsy hiandraiketany maika ny hamaha ny olana aty amin’ny tany afrikana nozanahandry zareo Frantsay taloha, dia ho sarotsarotra ihany izany. Ohatra amin’izany, akaiky loatra ny filoha ao Côte d’Ivoire ny lehilahy. Izany hoe, tsy azo antenaina hanome rariny an’i Alassane Ouattara velively. Dia ahoana moa izany ny momba antsika aty Dago aty ? Ny omaly tsy miova e ! Raha ohatra ka nantenainkanirina ilay sori-dalana natolotry ny SADC, vao mainka nampivandravandra. Ohatra fotsiny, tsy misy fiantsoana mihitsy ny handravana ireo rafitra napetraky ny Fahefana avon’ny tetezamita, fa dia hanaovana tsentsin-tatatra fotsiny izay te ho ao. Asakasak’ireo mila seza aloha e !

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra