ven.
04
févr.
2011
Resy tanteraka ny vahoaka malagasy madinika. Tsy mitsahatra miakatra ny vidim-bary eny an-tsena. Betsaka amin’ireo mpivarotra vary atsinjarany no niala an-daharana sy nampiato ny asany. Mananika ny Ar 1600 ny vary 1kg. Rahampitso ihany io dia hiakatra Ar 1700, ary tsy ho ela dia ho Ar 2000. “Azo antoka ny hihoarany ny Ar 2000” hoy ny mpamongady iray etsy Andravoahangy. Ny vary gasy sy ny vary makalioka, izay tena ilain’ny mponina, no tsy mitsahamiakatra. Minainaina ny vahoaka satria tsy afaka hihinana vary stock tampon. Efa betsaka ihany mantsy ny aretina azo avy amin’izy ity. Izy izao no mora indrindra na dia mbola lafo ara-bola aza. Ar 1330 ny 1 kg, omaly. Betsaka ny fianakaviana tsy mahazaka io vary stock io. Mampangidihidy hoditra, ary voamarika fa mitombo be, saingy mihevotra fotsiny. Vetivety dia noana izay mihinana azy...........
Aleo ajanona Ramatoa Fanjanirina, mpaninjara vary, dia nanapakevitra fa hiato aloha. “Ny tombom-barotra kely azo androany, hamenoana ny f iak aran’ny vidim-bar y rahampitso, izany hoe tsy misy tombony raisina mihitsy. Ny vary nafarana, nantenaina hamaha olana, toa tsy hita hatramin’izao na dia efa dradradradraina amin’ny haino aman-jery aza ny fahatongavany”. Dia miharitra eto aloha fa toa zaka ihany izy izany! hoy kosa ny mpanjifa iray. “Telo ny zanako, hoy ity raim-pianakaviana, ka ny roa zandriny no mianatra eny amin’ny EPP fa ny zokiny indrindra dia naato tamin’ny fianarany tamin’ity taona ity”. Afaka CEPE ity najanona amin’ny fianarany. Tsy misy ny enti-manana hampianarana azy ka nalefa ho mpiasan’olona. Ireo roa mianatra amin’ny EPP dia velon’ny sakafo ao an-tsekoly mba nomen’ny tsara sitra-po, izay tsy fantatra koa na haharitra mandra-pahoviana. Tsy hidiran’ny fotsim-bary intsony ny kibon’ity fianakaviana ity fa miankina tanteraka amin’ny haninkotrana toy ny mangahazo sy vomanga.
Kely sisa e! Herinandro eo sisa dia hatory an-dalambe ity fianakaviana iray manofa trano eny amin’ny Paraky Soanierana ity. Tapitra tamin’ny faran’ity volana ity ny telo volana tsy nandoavany hofantrano. Ny entana rehetra efa namidy varo-boba nanonerana ny hofantrano tsy voaloa tamin’ny volana oktobra 2010. Tsy kivy anefa iz y mivady satria fantany araka ny filazany, fa tsy izy irery no tratran’izao. Betsaka no efa lasa ary anjarany indray izao. Tsy hiantso vonjy amin’ny fanjakana koa izy fa ny fanjakana ihany no naha toy izao azy. Tsy te hanenina amin’ny tolona natao e!
Aza tonga dia esoina ny olona fa tsy hainao akory izy na tsy mpomba izay tolona nataonao sy ny forongonao any fa izay aloha ny fahavoazany ary tsy izy irery fa efa maro no teo alohany fa anjarany izao ,rahampitso mety ho ahy ary rahafaka ampitso mety ho anao mpaneso olona io...fa tsy ho anjaran'i Andry sy ny forongony kosa akory ary tsy misy irarahiany an'izany fa izy efa voky mila hipoaka vola.
Mbola tsy tonga @ fampanantenana nataon'i Andry Rajoelina ange izao e! 2500 ny 1kg @ vary. 2500Ar no tiany notenenina t@ iny, ny menaka 12500Ar etc...
Ny tena mahavoa antsika Malagasy dia mora manadino ny tantara.Tamin'ny 1990 dia 30 Ar ny kapoaky ny vary ary 120 Ar ny kilao.Tonga ny 1991 dia nidradradradra teny ankianja 13 mey i savonivava (Ndremanjato) fa raha izy no tonga eo amin'ny fitondrana io vidin'ny iray kapoaka io no atao vidin'ny iray kilao,izany hoe ataony 30Ar ny kilao.Tadidio fa mbola niaraka tamin'i Andry Rajoelina i savonivava sy ny taranany tamin'ny 2009 ireny ary hevitra avy amindry zareo no nasaina notenenind-Rajoelina hoe raha izahay no tonga eo 500 Ar ny kilaon'ny vary (fa ny tena tiany ho tenenina dia hoe 500 Ar ny kapoaky ny vary).Koa amin'izao sisa izao ry Malagasy itodiho aloha ny tantara e!Ireto mpanao gazety vendrana eto amintsika ireto koa anie tsy mba mamerina ireny zava-nisy ireny rehefa amin'ny fotoana tokony hamerenana azy fa dia efa mpiara misosy amin'ny mpanao politika moa dia aleo mangina.
