ven.

04

févr.

2011

Distrika Belo sur Tsibihina: Lany tamingana ny omby

Fa dia inona loatra no nahazo an’i Gasikara ? « Tsy misy intsony ny omby eny an-kijana ary na ny ireo mitarika sarety aza lany tamingana, aty Menabe, » hoy ny ben’ny tanànan’i Bemarivo Ankirondro, Zahatsy Bienvenu. « Vonoin’ny malaso ihany koa ny tompon’omby. Efa maro amin’ny mponina no matory any an’ala. Inona moa no azonay atao manoloana ireo kalachnikov ? »

Miara-miasa amin’ny Alain Ramaroson Herinandro izao ny ben’ny tanàna no tonga eto an-drenivohitra. « Mitondra ny fitarainan’ny vahoaka aho, sady manantena ny fiaraha-miasa amin’ny lehiben’ny vaomiera misahana ny fandriampahalemana sy ny fiarovam-pirenena ao amin’ny Fitondra avon’ny tetezamita, Alain Ramaroson » hoy izy. Araka ny fanazavana nomen’i Zahatsy Bienvenu, dia izy no mpanolotsaina manok an’ny lehiben’ i o vaomiera io, any amin’ny Faritra Menabe. « Efa maro ny tatitra nalefanay any amin’ny lehiben’ny dist r ika, any amin’ny lehiben’ny Faritra, fa mbola tsy nahitam-bokany aloha hatramin’izao. Vao tonga teto Antananarivo aho, dia efa nangataka fihaonana amin’i Alain Ramaroson. Izaho rahateo tsy afaka ny hody any an-tanàna intsony, raha tsy mahazo valin-teny tsy hahafaty ahy. »..................

Any amin’ny lehiben’ny distrika Nieritrereritra ny vahoaka ao Bemarivo Ankirondro fa tsy ho afaka hilalao azy toy izao ny malaso, satria misy tobin’ny zandary any an-toerana. Isaky ny misy ny loza manjo ny fokontany na ny kominina, dia miantso ny zandary hatrany izy ireo, hamonjy azy. « Tsy afaka mandeha mamonjy ny vahoaka anefa izy ireo, hoy ny ben’ny tanàna, satria tsy maintsy miandry ny alalana avy amin’ny lehiben’ny distrika aloha. » Izany hoe, efa lasa ihany ny dahalo sy ny omby vao ho avy ny mpitandro ny filaminana. Raha toa ka ho avy… Ankoatra izay, tsy dia azo eritreretina loatra ny mety ho fiaraha-miasa eo amin’ny samy kominina. « Mahery loatra ny tsindry avy amin’ny lehiben’ny Faritra, Faharo Ratsimbalison. »

Tsy mianatra koa ny mpianatra Tsy hoe tsy misy akory ny sekoly. Misokatra ihany ireo toeram-pianarana (EPP), saingy ny mpampianatra no tsy misy. « Ny tale, mpiasampanjakana, sisa no mampianatra. Ao amin’ny EPP iray ohatra, kilasy fito no ao, ka ny enina amin’ireo dia azonin’ny mp amp i a n a t r a F R A M avokoa. Tsy mbola nahazo ny tambin-karamany izy ireo, nanomboka ny volana novambra 2010. » Mitokona ny mpampianatra FRAM, ny lalan a mankany an-tsekoly rahateo mbola tsy maintsy vitainy kilaometatra maromaro. « Misy efa nahavita fito, sivy taona ireto mpampianatra ireto. Etsy andaniny koa anefa, tsy mahefa ny anjarany intsony ny ray aman-dreny satria mafy ny fiainana. » Norahonan’ny lehiben’ny CISCO ireto mpampianatra ireto. Norahonany horoahina raha tsy mamonjy ny toerampiasany. Tsy nahavaha ny olana anefa izany, noho ireo antony voalaza ireo.

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    ratsiferana (vendredi, 04 février 2011 19:41)

    Teneno io lehiben'ny CISCO tsy misy ilàna azy io raha sahy manome ny karamany ho an'ny mpampianatra miasa hatrizay nefa tsy nahazo karama hatramin'ny nov-des 2010.

  • #2

    Rahum (samedi, 05 février 2011 14:28)

    F'angaha ilay lehiben'ny distrika no lehiben'ny dahalo any?

  • #3

    tenikely (mercredi, 27 avril 2011 09:52)

    Dia mba gaga koa ny tenanay mahita izy ity, mety ho marina ny an'iRahum io a! mety ho misy ... ny lehiben'ny District sy ny Malaso dia hoe:" tsy mihetsika raha tsy mahazo baiko" @izay ny akama efa mba lasa lavitra, ny olona rahateo efa mosary tsy afaka handeha hanenjika.
    Ary ny fampianarana, ny ankizy anie no ho avin'nity firenena ity e! sa Eternele ireo Dinozorn-tsika ireo dia matahotra ny hisy adversaire dia finganina dia ny garabola ny ankizy

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra