mar.

01

févr.

2011

Daroky ny tsy miala vola

Tena maha r a r y i l a y voa l à ko s y hanaovana tamba-be! Fa nanana herimpo sy finiavana hatramin’ny farany iny olona iny, nampiseho teo imason’ny rehetra fa asa no nikirizany hiditra ny Kianjaben’i Mahamasina tamin’iny Alahady tolakandro teo iny. Tsy fantatra mazava izay tao an-dohan’ny tsirairay tamin’ilay fisehoan-javatra fa ny hany azo antoka dia samy te-hanaja ny asany daholo na iny olona iny teo andaniny, na ireo polisy teo ankilany. Ireo andian’ny mpitandro ny filaminana dia hita miavaka tsara tamin’ny fitafy nanaovan’izy ireo. Iny olona iny kosa dia nampiseho ilay karatra mahampanao gazety azy. Fa tsy nasian’ireto manam-pahefana “lanjany” loatra ilay karatra fa ny “aron’akanjo mangirana” no nilainy ho fanavahana raha tena mpanao gazety marina iny olona iny. Dia nampiakapeo tsikelikely iny olona iny fa tokony hiditra ny kianja izy satria asa no hotanterahiny eo. Ny polisy kosa etsy andanin’izay dia tsy mila resaka fanazavana lava fa rehefa tsy nanana ilay aron’akanjo mangirana dia “barakay”...........

Ny an’iny olona iny dia ny “vava” sy ny “fakan-tsary, ary ny ” karatra manondro mazava ny asany” no hany fiadiana teny aminy. Ny an’ny andaniny kosa dia teny maharary, daroky ny tsy miala vola, ary angaredona no nampiasainy. Koa tsy nahagaga raha nifanjevoana tanteraka ny fanerena an’iny olona iny hiditra ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana. Hatairana sy hagagana ny nanjo ny “naman’iny olona iny nanatri-maso teo, satria niezaka naka ny sary sy ny fisehoan-javatra rehetra, ary nahazo fandrahonana ihany koa fa hopotehina ny fitaovana ary raofina miaraka amin’iny olona iny raha mbola manohy maka sary hatrany.loza ‘zany! Fa mahina angaha ireto mpitandro ny filaminana fa tsy mifanaraka amin’izay tokony nataony ny fanaovany herisetra tamin’iny olona iny? Nokilasiana ho toy ny mpanakorontana sy mpamorona fifanjevoana mantsy ny fihetsik’iny olona iny. Eo indrindra no mahasaro- toerana ny fanantanterahan’iny olona iny ny asany satria zavatra tsy toy ny inona akory dia efa tena mampiditr’andro tanteraka. Mbola marefo tokoa ny fiarovana sy ny fanajana ny fahafahan’iny olona iny sy ny toa azy rehetra, raha ny eto amintsika, ary izany indrindra no tena ilàna ny firaisan-kina sy ny fifanotronana. Soa ihany moa fa nony tonga teny amin’ny paositry ny polisy iny olona iny, dia nihatony ny “raharaha”. Nihaino sy nandray ampilaminana ny zava-niseho ny tompon’andraikitra, ary dia nalefa nody sy “afaka” indray iny olona iny. Ny nampalahelo dia efa rava ny baolina vao votsotra iny olona iny, ary tsy nahita izay endri-dalao sy ny vokatry ny fihaonana akory. Ny tenany aza moa dia nitaraina mafy fa henjana sy mafy ny daroka nahazo azy teo. Azo hantenaina fa mba hampitodika ny manampahefana amin’izay fepetra raisiny ho amin’ny fiarovana ny filaminana ny fisehoanjavatra toy ity nanjo iny olona iny ity, ka ho hain’izy ireo ny lanjan’ny resaka sy ny fifanazavana tsotsotra eo amin’ny fampisehoana ny “karatra manondro ny asan’ny tsirairay” mandritra ny lanonana sy ny fety ary ny “sakoroka”, fa tsy hanaovana daroky ny tsy miala vola ny olompirenena te-hiasa tsara sy hiasa mafy. Aleo koa ny daroka tehirizina ho an’ireny jiolahy tsy mety tratra izay mandroba etsy sy eroa mpaka fananan’olona amin’ny tsy rariny ireny fa tsy amin’ny olona te hanao ny asany izay efa niezaka nanazava ny maha mpanao gazety azy. Rehefa tsy hilaina intsony ny mpanao gazety dia aoka ho tsorina e! Ary aza manasa azy ireny intsony rehefa hanao lanonana fa ataovy mangingina any ny zavatra atao.

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    beditra (mardi, 01 février 2011 09:01)

    courag Bebert ah ! Tsy tokony hahakivy ny toy ireny sa akory?

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra