mar.
01
févr.
2011
Raha mora ny laok a kanefa mba tia hihinana sakafo ara-dalàna ny olona dia heverina ho sahirana ihany ny tsirairay. Manginy fotsiny ny tsy fisian’ny asa sy ny fialam-boly natokana ho an’ny tanora. Ao an- tampon- tanànan’Ampanihy dia midangana ny vidin’ny kapoakan’ny vary izay mahatratra hatrany amin’ny Ar 450 ny iray kanefa ny hena ampanarahana azy azo ihoriranana ihany satria Ar 3 000 ny kilaon’ny hena omby, Ar 10 ny voan-draketa iray, Ar 800 ny voatango izay, Ar 300 ny voazavo fa ny osy kosa dia Ar 17 000 vao mahazo. Mahakasika izay fiainan’ny mponina izay ihany dia sahirana koa ny mpianatra sy ny mpampianatra ao amin’ny CEG Ampanihy Atsimo..............
Efa antitra tanteraka io sekoly ambaratonga faharoa io ary noho ny haratsian’ny efitrano dia mahatratra 80 ny isan’ny mpianatra amin’ny kilasy iray ka ny 15 amin’ireo dia voatery mipetraka amin’ny tany. Hatramin’izay dia mbola tsy nisy mihitsy ny fanamboarana ny trano sekoly. Efa nisy ihany ny tatitra nataon’ireo tompon’andraikitra ambony eo amin’ny fitondrana momba ny hetahetan’ny mponina ny amin’ny hanamboarana azy saingy mbola tsy nisy ny valiny mahafa-po. Mitaraina koa ny mponina amin’ny tsy fanarahany ny vaovao mitranga manerana ny Nosy satria efa ho izay volana izao no tsy nandeha ny fahitalavitra TVM kanefa ny jiro dia mandeha ara-dalàna. Ny rano koa no mametraka olana satria eo anelanelan’ny 3 sy 6 ora hariva ihany no mandeha. Rehefa tonga kosa ny fotoan’ny main-tany dia mandeha an-tongotra hatrany amin’ny 24 kilometatra amin’ny reniranon’i Menarandra ny mponina hatsakana rano hosotroina. Eo amin’ny lafiny fiompiana kosa dia miaina anaty tebiteby lava ireo mpiandry omby sy ondry aman’osy. Voatery mifindra toerana izy ireo noho ny hain-tany mianjady amin’iny faritra iny ka mahatonga azy ireo hifindra toerana hahafahany mampisotro rano ny biby. Raha tsy ao Ankarana, 30 kilometatra miala an’Ampanihy, dia mifindra any Fotadrevo-Ejeda, 60 kilometatra lavidavitra kokoa. Ny fiatahana amin’ny tanàna toy izao indrindra no mahabe ny dahalo mpanafika mandroba ny biby fiompy.