lun.

31

janv.

2011

Olon-dia maoderina

Ireo tsy mbola nahita ny fivoaran’ny sivilizasiona tandrefana no tondroina matetika ho “olon-dia”, ary tadidio sy alenteho an-tsaina fa tsy midika akory izany fa « tsinotsinona » izy ireny. Te hampianatra sy te-hametraka ny tiany hatao koa ny « olon-dia maoderina » amin’izao vanim-potoan’ny taona efa lasan-davitra amin’ny fandrosoana izao. Misy ny manao ny toetran’i Baroa, kanefa dia misandoka ho maoderina sy miaina amin’ny tany demokratika; fatra-panaja ny safidy ary teny ieran’ny mpiray monina ao aminy. Mikorontandrotana ny firenena Afrikana maro satria mieboebo ho mpitarika ny fanjakana any amin’izy ireo ireto andiana olon-dia maoderina ireto. Mamikitra eo amin’ny fitondrana efa ho ampolotaonany maro. Tsy refesi-mandidy. Tompon’ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra (tsy ho mandrkizay fa tsy maintsy rehefa hanaovna angaredona). Manao randratarika tamin’izay niseho tany Tonisia, ny any amin’ny tapany avaratr’i Afrika, toy ny any Egipta sy Algeria, raha mbola tsy misy mangirana ny ao Côte d’Ivoire sy aty Madagasikara. Ataon’ny loza voajanahary, noho ny tondra-drano, maivoka ny any Afrika Atsimo sy Mozambika, ary ahiana mafy ho tratran’izany loza izany koa isika Gasy.....................

Aza mivaky loha amin’izay any Afrika any aloha fa ny eto antanana mba hasiana topi-maso satria feno olon-dia maoderina ny tanàna. Izy ireny dia mafy loha sy manao ny toetra mahazatra azy hatrizay; Mahamahana sy kaodikaody raha vao misy hazavana (ara-bakin-teny) sy fifanatrehana. Tsy mahatoky olona, mihevitra ny hananga-tsandry hatrany fa tsy mba manana hevitra haroso mba hodinihina. Ary ny tena loza dia mody manaiky eo imason’ny rehetra, kanefa vao mivadika ny andro sy ny volana dia mampiseho vangy, sy mandrangotra amin’ny hoho lava. Tsy mahavita mihaino sy mba manaja ny fifanarahana natao, tsy manana henatra fa sahy mihanjaka eo imasom-bahoaka. Mamingavinga sy miseho ho mafy tsy laitra hozongozonina. Mangerona sy manao tery vay manta raha vao tsy tanterahina ny sitra-pony. Izany no olon-dia maoderina mifehy sy mibaiko ny zotra politika tsy maintsy iainan’i Madagasikara. Veloma ry tany tan-dalàna fa ny fomba rehetra ao an-dohany dia azo tanterahina avokoa. Tsy maintsy atao amin’ny fomba rehetra ny hifehezana ny “tombony kely” azon’ny isam-batan’olona, ary dia hangarom- bilany avy hatrany ireto olon-dia marobe ireto. Tsy maintsy ho viravirainy izay kely mba efa voaangona sy natao ho fitsinjovana ny vody andro ho merika, hanampatra ny filàny izy rehetra satria novahana kely indray ankehitriny ny fidirana ao amin’ny tranobe maoderina vao avy nolokoina faninefany. Mihaingo fatratra izy rehetra ireo, miseho ho azy “mahay” sy efa miaina ny sivilizasiona tandrefana. Harantirantiny fa ilaina ny maka tahaka ny niseho teo amin’ireny sivilizasiona efa lasan-davitra ireny. Ny nampahomby an-dry Ranona dia nanao ny toy izao sy izao ka tsy maintsy hataontsika koa izany. Mijaly loatra ireo mpiray tanindrazana amintsika mitady ravin’ahitra any Ananonanona any ka aleo halaina any amin’ny fomba “mihaja”. Tsy hainareo efa mpihaza hatrizay ny fitadiavana ny harapaka isan’andro ka aleo hanaovanay efa manana ny fahaiza-manao ny fitadiavana ny haza hohanintsika isan’andro. Mody miresadresaka amin’ireo solontena vahiny tonga eto amintsika izy ireo kanefa ny “saosy” mafilotra any amin’ireny no tena tanjony. Hanaovany fingerongeronana rehefa azony. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    ratsiferana (lundi, 31 janvier 2011 17:12)

    Tena mahay mintsy ianao Ony Rambelo a!!!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra