lun.

31

janv.

2011

Hevitry ny otrikafo: “ Ndao haongana fa manadala ”

Tsy misy azo hantenaina intsony ny amin’izay ho famahana ny kr iz y politikan’i Madagasikara raha Rajoelina Andry. Izy mihitsy ankehitriny no olan’ny firenena Malagasy. Manaraka ambokony izay hevitra haroson’ny sehatra iraisam-pirenena sy ny ankolafy telo fotsiny no ataony ankehitriny, ary lany tetika tanteraka amin’ny fitarihana ny ”fanjakana” Malagasy. Nandritra izay dimampolo taona mba niverenan’ny fahaleovantena izay dia mpiara-miasa tamin’ny mpanajanaka hatrany no nitondra an’i Madagasikara. Difotry ny fiarovana ny tombotsoa vahiny ny mpitondra nifandimby, ary tsy mba nikatsaka izay tetika sy politika ho amin’ny fampandrosoana ny tera-tany Malagasy. Tsy nisy fandrosoana tena nampandroso ny mponina teto, fa ny tombotsoan’ny vahiny no narovana mafy..............

Nifandovàna Tamin’ny andron’ i Tsiranana dia ny Filoha sy minisitra vitsivitsy no mba teratany Malagasy. Fanjanahana tamin’ny endriny vaovao no nanjaka teo, ary ny fitantanana ny fanjakana tamin’izany dia teo ambany fitantanan’i Frantsa hatrany. Toa nanaraka an’izany koa ny tamin’ny andron-dRatsiraka (ilay tapany voalohany), nijabajaba tamin’ny fanarahana ny foto-kevitra sosialista isika, ary noraisin’ny fanjkana malagasy antanana ireo orinasa vahiny teto, kanefa tsy nahazoantsika tombony mankaiza fa very sy potika noho ny fitantanana goragora. Ny firenen-dehibe hatrany no mametra ny fepetra sy ny politika tokony harahin’ny fanjakana. Sahirana isika tamin’ny fanitsiana aradraf i t ra notakian’ i reo mpamatsy vola. Ary tsy nahagaga raha nibaby trosa tsy hita noanoa ny firenena. Dia naverina teo am-pelatanan’ny tsy miankina amin’ny fanjakana indray ny fitantanana ireo orinasam-panjakana efa nitsipozipozy, ary natao sesilany izany. Potika tanteraka ireo Malagasy antonontonony, ary dia notohizan-dRatsiraka izany fitrosana sy fanomezana vahana ny sehatra tsy miankina izany nandritra ny fotoam-pitondrany faharoa. Ravalomanna sy ny fanjakana notantaniny koa dia mbola nampiditra ny Malagasy teo ambany vahohon’ireto vahiny mpampitrosa ireto hatrany., ary dia natanjaka sy nanjakazaka tany amin’ny sehatra maro ny tera-tany vahiny marobe. Noho ireo antony rehetra ireo dia mihitsoka anaty fahantrana lalina i Madagasikara, ary mifanjevo ara-politika. Rajoelina Andry koa dia nandova fotsiny ireo fomba mamohehat r a rehetra i reo. Ampian’ i Frantsa indray izy amin’ny fanantanterahany ny iraka hampanaovina azy. Miaro ny tombotsoa Frantsay eto, ary miady fo mafy ho amin’izany tombotsoa izany. Manaraka ny fomba fanaon-dRavalomanana fotsiny no ataony ankehitriny , ary vao mainka loza goavana aza satria mampiditra ireto mpanabola tsy mazavazava ireto (sinoa ohatra). Tao anatin’ny roa taona dia mihodikodina am-pitoerana fotsiny izy fa tsy mahavita nandravona na nikaroka vaha-olana mazava. Variana mitady io fiaraha-mitantana tsy hisy vokany io.

Aoka izay! Mila ovàna ny politika sy ny fanaovana politika eto Madagasikara! Fanovàna tena izy, ar y mikaroka ny tena fampandrosoana marina ny isambatan’olona. Politika miantehitra amin’ireo harena nananatsika hatrizay, ary politika tsy miankin-doha. Miaro hatrany ny hasina sy ny hambo tena Malagasy. Politika koa misokatra amin’ny f i fandraisana amin’ny any ivelany ho mpanaja ny fitoviana sy ny fahafanan’ny firenena tsirairay. Ny antoko pol i t ika Otrikafo noho ireo antony rehetra ireo, dia manainga ny mpiray tanindrazana rehetra na ny eto an-toerana , na ireo mieli-patrana eran’izao tontolo izao, mba handray andraikitra sy hanambatra ny hery mba hitondra sy hanarina ny firenena Malagasy. Vonona noho izany ny Otrikafo ny hitondra ny firenena tena tan-dalàna ho fanajana ny hasina maha-olona ny tsirairay. Izany dia hampanjakana ny fandriampahalemana sy ny fiandrianan’ny firenena Malagasy. Miantomboka any amin’izay tantsaha faran’ny bitika indrindra, mandalo ny mpiasa madinika isankarazany, ar y hatramin’ireo efa mpanana sy tompon’ny renivola, na ireo sehatra tsy miankina, na ny fanjakana, na ny avara-pianarana. Nangonin’i Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    anonyme (jeudi, 03 février 2011 05:51)

    Ie de omeo ary ny sosokevitra ry Dada fa hatr@ izay ange de hovay,hovay fa ny tetika no tsy hay e!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra