lun.

31

janv.

2011

Faty may teo Tsiazotafo: Niala maina ireo fianakaviana

Toy ny ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa ve no niafaran’ilay alin’ny 26 janoary 2009, ka zara raha notsiahivina na dia nananganana tsangambato manan-tantara aza ? Betsaka no tsy takona nafenina, mbola tsaroana hatramin’izao. Fangirifiriana no nianjady tamin’ny fianakaviana maro teto an-drenivohitra, raha nifaly havanja kosa ireo niangaran’ny vintana ka nahazo harena maimaimpoana. Nalaim-potsiny ny vary sy ny lafarinina. Nikodiadia eran’ny araben’Antananarivo ny barika feno menaka. Tao ambadik’ireny anefa dia nisy ireo niala aina tamimpijaliana. Iray amin’ireny monja no tsarovana dia efa mihorona ny hoditra. Ilay tetsy Tsiazotafo io! Fatin’olona notaomina tamin’ny kamiao no nosok i r ina t ao, ef a kilan’ny afo tanteraka. Sarotra ny namantatra ireo olona namoy ny ainy ireo, fa dia ala-nenina no nataon’izay very havana. Niranty tao amin’ny tranom-paty HJRA, HOMI ary Befelatanana ireo razana ka samy maminany izay mety hahafantarana azy ny mpikaroka.............

Vitsy no nahita mangirana mba tsy hilazana hoe tsy nisy afa-po tamin’ny fikarohana izay mety ho fatin’ny havany. Ankehitriny dia betsaka ireo very havana tamin’iny andro nanjombona iny, mahatsiaro sisa fa tsy afa-mikaroka intsony. Ny sasany dia mahazo antoka fa tamin’ireny tokoa no nahafaty ny havany, saingy tsy fantatra intsony. Ny fiononana dia mba niandry izay fampaherezana nentin’ny fitondrana tetezamita. Nampionona ampahibemaso tokoa ry zareo sady nampanantena ny hisian’ny onitra amin’ireny, saingy indrisy fa ny ananan’ny tena indray ity no manaraka. Toa nalevin’ny kaominina eny amin’ny fasam-bahiny moa ireo razana tsy fantatra ka tsy nisy naka mihitsy. Vatam-paty am-polony isan’andro no napetraky ny BMH teny anoloan’ny tranompaty tamin’izany fotoana izany. Zary nahazatra ny fofompaty manerana ny tanàna. Dia fahatsiarovana tokoa no sisa e! HERY A

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    ravelonjoany (jeudi, 03 février 2011 15:29)

    mihonona fa mba efa vita t@ bois de rose ny cercueil izay fanomezana goavana kosa ê

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra