sam.

29

janv.

2011

RAJOELINA Andry : Filohan’iza sa Filohan’ny inona ?

Mety hisy hilaza indray hoe : resaka mandany jiro fotsiny izany fanontaniana izany. Rehefa Filoha dia filoha fa aza asiana ady hevitra, aza kianina fa mandrera-tsaina. Fa tsy mety hankarary sofina antsika kosa ve raha PDS no antsoina hoe: “Be-n’ny tanàna” ? Tsy “M’sé le Depuité” ve no iantsoantsika ny olom-boafidy raha solom-bavam-bahoaka izy? Sa antsointsika amin’ny teny hafa? Tsy sahirana ve isika raha misy fifangaroan’andraikitra hita miharihary kanefa odiana tsy fantatra?

Mampanongo tena mihitsy ny fisehoan-javatra ataontsika mianakavy eto ka izany indrindra angamba no tsy mampitovy ny eritreritr’izay rehetra miteny sy miresaka? Mpanao politika sy olon’ny serasera marobe mihitsy ankehitriny no mampisavoritaka endrin-javatra tsy tokony hampisy ady hevitra akory. Matetika moa ny vahoaka amin’ny ankapobeny dia mihinana am-bolony fotsiny izay hatolotra azy..........

Tsy manana fototra araky ny lalàna

Na ny lalampanorenan’ny répoblika faha-telo, na ilay hitsivolana 2009-002, na ny Dinan’i Maputo, na ilay hitsivolana 2009-018, na koa ny lalampanorenana nitsapana ny hevi-bahoaka tamin’ny 17 Novambra 2010, dia samy navadibadika sy nodinihina fa tsy misy milaza mihitsy ao, fa ny mpihazona ny fahefana ankehitriny dia Filohan’ny Répoblikan’i Madagasikara. Ireo lalàna notanisaina ireo dia samy miresaka fa ny fahefana mitondra an’i Madagasikara amin’izao dia fahefana “natsipitsipy” toy ny baolina rugby (hatsipy mihemotra) : Avy nivoaka ny lalampanorenana mahazatra dia lasan’ny Miaramila ,dia nahilika tamin’ny mpiidina an-dalam-be, dia nosamborina tany Maputo, dia avy eo noterena sy notsindrina ao Ambohitsorohitra ao. Ary nohezahina nohamarinina sy nomena ny endriky ny ara-dalaàna tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Manao ny asan’ny Filohan’ny répoblika io olona mpihazona ny fahefana io, mandray didy hitsivolana mandritra ny filan-kevitry ny minisitra (satria tsy misy olom-boafidy eto), mandray masoivoho (raha misy manaiky ho raisiny); filoha ambonin’ny tafika malagasy sns … ary mitarika ny tetezamita avo hirosoana any amin’ny Répoblika IV. Raha izany ary no asa hampanaovina azy; moa ve mitovy lenta amin’ny voafidim-bahoaka izy? Naninona izy no noravahana ny mari-boninahitra fara-tampony eto amin’ny firenena? (Anontanio ny eny Ambohidahy).

Filoham-pirenena?

Maninona àry ny mpanao politika sasantasany (anisan’izany ny Praiminisitry ny FAT nandritra ny lanonana teny Mavoloha farany teo), ny mpampahalala vaovao isan-karazany (tsy vitsy izy ireo) no manao fanahy iniana miantso io olona io hoe: Filoham-pirenena? Tao amin’ilay dinan’i Maputo dia milaza fa “filohan’ny tetezamita” sy “chef de l’état” no andraikitra amin’adidy tazonin’ilay mpitarika ny fahefam-panjakan’ny tetezamita., ary neken’ireo mpifanaiky sy mpanao sonia tany.Iny dina iny moa dia efa nolaviny izy tenany ihany. Fa ny tetezamita hampiainana antsika izao dia entin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita (arak’ilay hitsivolana 2009-018 tamin’ny 12 desambra 2009). Tsy misy resaka fanjakana eo, fa fahefana. Ka aza gaga raha telo ihany hatramin’izao no masoivoho niadaladala niantso azy hoe S.E.M (Son Excellence Monsieur…).

Amin’izao fotoana mbola mampiolana antsika eto izao izany , dia tsy manana Filoham-pirenena ny Malagasy , tsy misy filoham-panjakana ihany koa (?), tsy manana olom-boafidy mpanao lalàna, olom-boatendry ny any Tsimbazaza any, mpiandry tanàna sy fampandalovana taratasy no ao Ambohidahy, tsy manana fanjakana hankatoavin’ny firenena any ivelany sy ny sehatra iraisam-pirenena. Ny misy eto dia “filohan’ny Fahefana Avo”, “Praiminisitra lehiben’ny governemanta” mpampihodina ny asa tokony hataon’ny tena fanjakana, mpikambana amin’ny filankevitra Avo izay notendrena ihany koa.. miasa etsy Anosy (saingy tsy fantatra na manao ny asan’ny mpanolo-tsaina izy ireo na mpamorona lalàna, na inona?) . Sao dia mba izany zavatra bitika toa azo hamaivanina izany ary no anisan’ny tokony ho vahana fa tsy hitsambikina hilaza fa “nationale” kanefa tsy mahadinga-tatatra?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra