sam.
29
janv.
2011
Tamin’ny taon-dasa no mba nitsitapitapy teto an-drenivohitra teto ilay resaka faha-400 taonan’Antananarivo. Tsy ho fantatry ny ampaha-arivon’ny mponina eto akory izany tantara izany, na abosesika isan’andro ao andohany aza fa ny kolontsaina sy ny zava-kanto ary ny tantaran‘ny tanàna iray no maha-teraka ny fandrosoana mbola ifandovàna eto. Efa “sary mangina” sisa izany Antananarivo izany. Rova efa “aloka” io tazantsika io. Andafiavaratra efa “vaingan-tsetroka” io mampalahelo kely hita marain-tsy hariva io. Lapan’ny tanàna “mpisompatra” ny tantara sy ny “fahafahana” no abahana ao ampivoan-tanàna ao.
Misy mpahay tantara ve eto Antananarivo eto mba antsoina manokana hijery izay tokony harovana, na koa handravàna ity tanàna ity, hifanaraka amin’izay tena maha-tanàna hifandovan’ny taranaka fara-mandimby azy? Misy andian’olona ve eto tsy mijery afa-tsy ny ambany orony, ka tsy ahoany raha manimba ”saina” ny heveriny ho fandrosoana. Tsy misy dikany sy lanjany ny fandrosoana raha hamotika ny tantara no tanjona hanaovana azy. Ny mandroso dia tsy midika ho fanarahana ny fisainan-dry Rajakombazaha.......
Mpahay mari-trano sy mpikajy tanàn-dehibe
Fantatsika rehetra eto ve ny tena dikan’ilay hoe: ”Raha tiana honenana ny tanànan’Andriana dia hajao sy hankatoavy ny satany”? Efa nifandovàna ity tanàna ity ka misy dikany lehibe ny antony namoronana azy tany amin’ny ef-jato taona lasa. Misy marika hita maso ve ka hanamporofoina fa efa nisy Antananarivo tamin’izany 400 taona izany? Resaka mandany jiro izany, fa aleo atao aty akaikikaiky kokoa ny marintoerana hijoroantsika: Raha mbola velona teo angamba ny mpahay mari-trano sy mpikajy ny tanàn-dehibe Razafy ANDRIAMIHAINGO, dia ho kivy sy harary fo, mahita ny niafaran’ny tanànan‘Antananarivo. Aiza ilay endriky ny Lapan’ny tanànana ,nandaniany ron-doha? Aiza daholo ny lakan-drano sy ny honahona, toy ny lakan-dranon’Andriantany, izay tao anatin’ireo tokony harovàna mafy raha tiana ny hikajy ny tanàn-dehibe. Zava-poana ve ny “angovo” lanin’Andrianapoinimerina, ilay hany Injenieran’ny asa vaventy tamin’ny fotoan’androny, tamin’ny fanajariana an’i Betsimitatatra sy ny fefiloha hiarovana azy amin’ny tondra-drano? Marobe ny endriky ny tanàna nolovaintsika tamin’ny Vazaha “manandevo” antsika, anisan’ireny ny Liséa, ny tonelina, ny Gara, ny trano fonenana, ny endriky ny araben’ny fahaleovantena ao Analakely ao. Dia inona marina no ‘ndeha ataontsika ankehitriny? Hokitihina sy hopotehina daholo ireo “lovabe” ireo? Mba manana politikan’ny “fanatsaràna” ireo vakoka ireo ve isika?
Dory, totofy, ovay
Maniry ohatry ny anana ny fanorenana tsy “araky ny kolontsaina nifandovana” hatrizay (aleo tsy ho soratana mihitsy ny hoe: ara-dalàna). Moa voahevitra ve ny fanovàna endrika ny trano eny amin’ny araben’ny fahaleovantena? Tsy efa saika ady saritaka no nifanadrinan’ny minisitera mpiahy sy ny kaominina Antananarivo renivohitra? Moa tsy fanotofana tany no nanenjehana ny mpanao politika nahongana teto? Moa tsy fandorona trano sy kolontsaina ihany koa no nateraky ny didadisa ara-politika teto? May daholo na ny Rova teny Manjakamiadana, na ny teo Andafiavaratra, na ny lapan’ny tananà, ny radiom-pirenena, na ny tsena isan-karazany aza. Mba azon’ny mpitantana nifandimby tamin’ity tanàna maha-saropiaro loatra ity ve fa efa nisy ny “plan” raikitra momba io “araben’ny fahaleovantena“ io, ary tsy tokony ho azo hovàna, ary ny eny amin ny tanàna ambony na haute ville, dia tokony ho trano tafo taila daholo ihany koa. Izany dia efa tsapan’ireo teo alohantsika fa misy kolontsaina tsy maintsy harovana eto, fomba mba hifandovàna tsara. Mba azontsika izay miseho ho manana ny toetran’ny fanovàna ankehitriny ve fa tsy maintsy ho dibo rano ato isika mianakavy? Hihaingo ambony tsikoko, sy hifampizara hanin-kohanina amin’ny lalitra? Atsy ho atsy dia mbola horavàntsika io Gara eo soarano io, tsy maintsy harodantsika koa ireo tonelina roa ireo, ary tsy maintsy manampahaizana avy any ivelany ihany no hankatoavintsika teny fa mahay noho isika. Izao efa natombony amin’ny fanimbàna ny araben’ny fahaleovantena izao no dingana nataony. Efa nofantsihina eny Ampahamarinana ilay ANTANANARIVO tsy te-ho “arivolahy” intsony, fa te- hilingitra any Hollywood, Paris, Texas , Tokyo sns…Raha tianao dia aleo aho hijanona ety Andavamamba ihany hiaraka amin-dry Lemizo . Amin’izay na tsy hisy ho tantaraina intsony aza aho amin’ireo taranako dia mba afaka hihirahira ihany! Averimberiko eo ny hoe: ”foza orana,ho’aho, biby mi-torina”.
gaga amin'izay lazaina fa fandrosoana ny tenanay e!. Zaho anie tsy niova fa mbola jiolahimbolo.Mbola miakanjo maloto sy rovi-damba. Le eo analakely io aliha dia hagegena tsotra izao! lalana sy araben'ny fahaleovantena taiza teto ambonin'ny tany no mhisy fefy mitsivalana?
