ven.

28

janv.

2011

Aza mangalatra !

Hevi-diso hatramin’ny voalohany

Nalentika (sy mbola milentika?) ao an-tsain’ny besinimaro, fa naorina tamin’ny alalan’ny halatra ny fananan-Ravalomanana Marc. Raha io resaka io no lazaina tsotra dia toa tsy nanana na inona na inona ity mpandraharaha ity talohan’ny naha-mendimendy azy hanao politika tamin’ny taona 1998, ka nanomanany ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo. Miverimberina hatrany fa volam-panjakana sy fananam-bahoaka no notavaniny sy nahafahany nampiroborobo ny aferany.

  

Satria RAVALOMANANA dia mpangalatra ny zava-panjakana sy ny an’ny vahoaka, dia tokony tsy hanan-jo hiaro ny fananany intsony fa tsy azy ireo fa “halatra”. Koa nahoana raha tena fanovàna tokoa no nokasaina hahazo vahana eto no nasaina nihinana halatra ny vahoaka tsy mahafantatra izay tetika politika tiana hatao? Naninona raha nampiseho fahasahiana   nitory ny tsy rariny sy ny tsy ara-dalàna fanaon-dRavalomanana? Satria ny tanjona dia hanagana fanjakàna tan-dalàna sy tena demokratika, koa nahoana raha noraisina ho fananam-panjkana ireny harena halatra nataon-dRavalomanana rehetra ireny. Nahoana no navela hanjaka ny toe-tsaina mpanimba sy mpandroba? Hatramin’izao dia mbola tsy nisy na teny kely fotsiny ihany aza mba nivoaka ny molotry ny mpitari-tolona fa nanameloka ireny fandrobana niseho ireny ny tenany. Koa tsy nahagaga fa nony tonga teo amin’ny fitantanana ny firenena ny mpitarika ny tolon’ny fanovàna dia nitaza-potsiny (?) ny fandrobana mbola nitohy tamin’ireo fananan-dRavalomanana ireo. Very ny vary, ny omby, ny lafarinina, ny andramena, ny fiarakodia, sy ny maro tsy ho voatanisa. Raha firenena tan-dalàna no najoro teto dia mazava fa efa nohenjehina araka ny lalàna izay nahavita izany, saingy indrisy, ireo naneho hevitra nanohitra ny fanohizana ny politikan’ny “paiso an-kady” no namenoana ny fonja.

Mbola mitohy ny halatra

   Tsy misy intsony na biriky iray aza ny Margo any Fianaratsoa any, ny tany Antsiranana, ny any Toamasina sy ny hafa rehetra. Tsy nihodina sy harafesina ny ozinina mpanao menaka an’ny tiko, ny mpanao dibera sy Yaourt miampy ny zava-pisotro. Very asa ny mpiasa marobe tamin’ireny, ary dia very ny vola tokony ho an’ilay fanjakana tompon’ny entana nampiasan-dRavalomanana hatrizay. Efa lasan’ny fanjakana (antemieran’ny varotra) araka ny didy aman-dalàna, ohatra, io Magro eo Ankorondrano io, kanefa dia mbola mitohy hatramin’izao ny fangalarana miseho isan’andro vaky amin’ireo sisa tavela eo. Raha adika tsotsotra izany dia tsy ny fananan-dRavalomanana intsony no robain’ireo manao izany ankehitriny, fa efa ny fananam-panjakana mihitsy . Koa nahoana no tsy handraisana fepetra? Sa tsy azo henjehina sy faizina fa “akama” ireny mandroba ireny? Ary ara-dalàna izay rehetra ataony? Poteho fa an’ny fanjakana? Koa inona no antony hanorenana ankehitriny? Hopitaly e! kianja e! Aza amandeha amin’io arabe sy lalampirenena io intsony koa fa sady tsy azo hohanina io, no vola halatra no nanaovan-dRavalomanana azy. Saika hadino! Inona no antony niakarana ny Rova kanefa nolazaina fa saika hitoetra teny Ravalomanana sy ny teti-dratsiny, efa voaota fady fa nafindrany antsokosoko ny “Masina” ary efa nanaovany toera-pivoahana ny anatin’ny lapa? Aza manao sy maka tahaka ny toetran-dRavalomanana fa ratsy anie izany e!

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    Djangil (vendredi, 28 janvier 2011 16:04)

    Ny marina tsy mba maty eh, ary ny masondramalagasy tsy mitampina ary mandre tsara ny sofiny, fantany tsara ny tena zava-misy, tsy ny fanaovana anti-thèse sy affirmation akory no ahafafa ny zava-nisy rehetra teto.Ra marina tokoa fa nalentika tao antsain'ny gasy ny hevidiso isankarazany dia tsy hisy olona na dia iray aza hanaraka ny Faty.Tao anatin'ny tanjaka tanteraka ngahy filoha ravalomanana tamin'ireny, nanana garde présidentielle 700 isa, ary hatramizay dia lazaina fa mbola mankatoa azy ny maroan'isa ao amin'ny tafika, raha ny fananany sy ny volany moa tsy lazaina intsony, NAHOANA IZY NO NIONGANA?Tsarovy fa izy tenany ihany no niloabava teny iavoloha fa "miaramaty eto isika ry vahoaka malagasy fa tsy handao anareo aho" Olona manana ny marina ve de hitsoaka????Naninona i Zelaya tany Honduras no tsy natahotra ny niverina na de natao hazalambo aza????Ny lalampirenena dia vita tamin'ny volambahoaka fa tsy andravalomanana, ohatran'ny tsena mora ihany io, na ny tsy mpomba ny Faty aza milahatra eny, ny afomangan'ny Faty jeren'ny zanaky dada ko ahoana no manao hevitra taingina otranio????

  • #2

    ips (mardi, 01 février 2011 11:59)

    ambany fisainana be Djangil zany an! afo manga ve azo hanina??????? mpomba ny faty daolo no milahatra @ reny supermarché "mora" reny rise a! ny avy eny ambany tanàna daolo, le mpandroba reny

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra