jeu.

27

janv.

2011

Varin’ariary fito Tsy takatry ny mahantra no tsy tian’ny mpanana

Vehivavy lany zara no nahatonga ny oha-pitenenana hoe “basin’ariary fito, sady tsy tian’ny mpanana no tsy takatry ny mahantra”. Mitombina io amin’ity vary nafarana mba hamonjena ny Malagasy ity. Tonga tokoa ilay vary nafarana ary miparitaka eny amin’ny tsena goavana eny. Manodidina ny Ar 1200 ny vidin’ny iray kilao ary eny amin’ny tsena sasany dia voafetra ho 10 kg ihany no azon’ny olona iray vidiana. Raha ny tazana teny amin’ny tsena Anosibe anefa dia malalaka ny fivarotana azy io, na hividy amin’ny gony aza ny mpanjifa. Ar 59000 ny iray gony (50kg). Rehefa nohadihadiana ny mpivarotra iray dia nilaza fa tsy misy mpividy ilay vary “noho ny kalitao tsy dia tsara loatra angamba”. Maro ny olona manan-katao mirona amin’ny stock tampon, saingy ilay nahazatra teo aloha, vary avy any Pakistan, no tsara kokoa, tsy dia misy fofona. Ity vary vao nafarana dia nambaran’ny mpanjifa fa tsy dia mitombo loatra, sady sarotra ahandroina. Mbola heno ihany koa ny fofon’ny fanafody nitahirizana azy................

Na izany aza dia mora vidy kokoa izy miohatra amin’ireo karazam-bary rehetra misy, ka tsy vitsy ireo mila azy, saingy mividy tsikelikely. Ny mpanao hotely moa dia tsy sahy mampiasa io vary io fa aleony ihany mividy ny lafolafo kokoa. Nambaran’ireo mpivarotra ihany fa tokony ho tsara io karazam-bary io fa izy efa ela nitoerana no naharatsy azy. Inoana araka izany ny hahatongavan’ny kalitao tsara amin’ity vary vidian-dafo ity. Tsara tsiahivina ihany fa efa nisy ny vary nafarana tamin’ny Repoblika Faharoa, var y mitovitovy endrika amin’izao nafarana izao, saingy ny tamin’izany dia niharihary fa vary fanome ny alika no tonga teto! Tandremo an !

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tsy aritra (lundi, 31 janvier 2011 17:26)

    Io anie ahazoan'ny tompon'andraikim-panjakana mpanafatra tombony be dia izay no nanafarana an'io.Be by vary tsara azo afarana fa io ratsy tsy tian'ny any ivelany io no ahazoana tombony be ho azy dia io no hafarana...d ilay Malagasy efa hita fa ho fatin'ny hanohanana no vokisana FATim-bary toy izao.Mialà eo rehefa tsy hanasoa vahoaka fa mbola ny paosy foana no jerena e!!!Aiza ilay vary Ar 500 nampanantenaina no hatao 1200 Ar ny kilao.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra