jeu.
27
janv.
2011
rakotry ny haizina i Madagasikara . Haizina niniana natao, fa tsy sanatria kapoka avy any an-danitra, satria nirahina handroba sy handoro fananam-pirenena toy ny RNM sy TVM ny mpikarama an’ady be sandry ary nopotehina ihany koa ny fananan’olona tsotra. Fantatra ny mpanao ratsy, ary efa hita miharihary ny ati-doha nikotrika, saingy toa afa-maina ny mpanao ratsy amin’izao vanim-potoana izao. Tsy nisy voatsangana ireo tranom-barotra may. Tsy tafaverina amin’ny laoniny intsony ny haino amanjerim- panjakana. Ireo olona nandroba may kila forehitra tao amin’ireo tranom-barotra isan-karazany, dia very faty. Nipoitra ny ampamoaka nataon’ireo manam-boninahitra roalahy migadra any Tsiafahy momba ity Lundi noir ity, ary voatonona ao avokoa ireo lohan’ny fahapotehan’ny firenena ankehitriny, saingy toa nokilasiana ho adala indray ireny olona nanambara ny marina ireny. Sa raha tsy nisy ireny, tsy tonga amin’izao harena sy voninahitra izao ?
Iza no niteny hoe "izaho no nanome baiko ny mpitandro ny filaminana tsy hivoaka tamin'io andro io".Acte prémédité ireny ary natao handotoana ny tolona ary hahakivy ireo olona teny ankianja.Tsarovy fa nisy andiana olona namaky ny varavarana dia lasa avy eo, nisy ny nandoro de lasa avy eo!Ekena fa ireo vahoaka mahantra no naka zay nilainy tao.Ireny no mba valifaty nataon'ny mpitondra teo aloha refa may ny fananany."ra maty aho matesa rahavako".Aiza ilay fitiavantanindrazana???
Marina tokoa io satria tsy adala akory ramalagasy fa ra tsapany fa ry tgv no fositra efa nanaraka reo kamboty velondray izy
Mitsangana ry gasy fa mahamenatra zany manaiky entin'ny Faty zany ah!sa aleo entin'ny Faty toy izay entin'ny mpamono ho Faty!hihihi
Mampalahelo tokoa fa tena "afa-maina ny mpanao ratsy", milamindamina migoka ny halatra rehetra any amin'ny villa any Afrika Atsimo, ny sasany tena mpanangona reo bandy mpandroba mody mifampiraharaha amin'ny Tgv amizao (nga Vazaha ex-gtt io).Dia tena tsisy hafa amin'ny nataony Ben Ali mintsy eh, lasa izy dia sady nopotehany ny fananan'ny vahoakan nanakaramany mpandroba!Aza mba ratsyloha ihany eh, ny volambahoaka ihany no hanapotehana ny vahoaka
Tsy ho adinon-dramalagasy mandrapahafatiny ny nataon'i Koto (sy ny ekipany)hatramin'ny 1972 sy ny 26 janvier 2009.Aza hadino ny niafaran'i Jacques Sylla fa tsy mahasoa ny mizaka alahelon'olona
Mr le journaliste, vous vous êtes trompé de photo car c'était une des photo des soi-disant "légalistes" d'Ambohijatovo que vous illustrez la et non la photo du 26 janvier lundi noir, ça prête à confusion
Mbola misy ihany ny gasy mitampina ny masony ka mihevitra ho tolona foana ny 2009. asa tena mitampina inona ny masony sy ny sainy fa tena dondrona be mihitsy. Na ny vahiny indrindra ny gasy misaina dia mahalala fa niniana natao ny fandoroana sy zay lazaina fa tolona. Raha zany dia msiny.bola misy ny miditra antsekoly fa tsy mahazo zay lazaina fa manao babakoto fot
o raari ah!tena mitampina marina ny masonao sy ny sofinao refa niteny ravalo hoe "ZAHO MINTSY NO NANOME BAIKO NY MPITANDRO NY FILAMINANA TSY HISY HIVOAKA NY 26 JANVIER".Teny gasy tena mazava io fa ny babakoto moa tsy mahay mamaky teny sady tsy mahazo tenin'olombelona.
Marina mihintsy ny teninao raari fa niniana natao ireny 26 janvier ireny, na ny tompon'andraikitra aza efa nibaboka hoe "izao mintsy no nanome baiko ny mpitandro ny filaminana tsy hisy hivoaka ny 26 janvier" satria sao de fay eo reo olona nasena namaky sy nasena nandoro!!!!hihihih!raha mba hainao tokoa moa ny mamaky teny raari de mba hazonao io tenin'ireo forumiste ireo fa indrisy fa babakoto tsy nandia fianarana tahaka ilay olona tohananao ihany enao ka tsy dia lasa lavitra ny fisainana
Tena mila définiseavana aloha ny atao hoe gasy misaina sy gasy tsisy saina.Ny mitolona mandritra ny roa taona maninjitra ve de mety ho azo lazaina fa gasy misaina?Tena efa tsisy saina angamba zany an!Exemple ray hafa, totofana ny tany andohatapenaka amin'ny volampanjakana (volan'ny faritra) 20 miliara fmg, dia avy eo vidian'ny Tiko 2 miliara fmg ilay tany (izay tsy fantatra raha efa voaloa na tsia), mbola misaina ve ny olona manaiky an'izany?500.000 dollars ny redevence naloan'i Sherit nahazoany permis d'exploitation, 100.000.000 de dollars no azon'ny Faty tami Wisco vao azo ny permis d'exploitation, misaina ve ny olona nanaiky an'izany?38.000.000 de dollars no vola naloan'ny Daewoo direct tany amin'ny tompon'ny Force one2, 60.000.000 de dollars miampy 10.000.000 de dollars (pour transformation) anefa no navoakan'ny fanjakana "misaina" tao ami banque centrale" lazaina fa vidin'ny force one2 sy ny travaux de tranformation. Zany no atao hoe flagrance nefa de mbola misy miseo misaina mihoatran'ny misaina ihany ny tsisy saina!3miliara de dollars ve ramose no trosa vaovao nindramin'ny fanjakana "misaina" de mba inona no hitanao nivoatra tamin'ny 2008????????
Normal enao raha gaga raari satria midépasser ny faculté anao ilay zava-misy, mila mi s'instruire tsara aloha ianao dia mba mijery ny tena zava-misy marina satria heverinao fa ilay ao an-tsainao foana ny zavatra misy nefa efa tsy izany tsony, il faut accepter la réalité, il n'y a de plus idiot et têtu que celui qui est dépourvu de la réalité, je dirai même plus, contourner la réalité.AILLEZ LES PIEDS SUR TERRE
Aza ataonareo anizany kosa raari fa izy ange tsy mipetraka any dago eh!!!!!
