jeu.

27

janv.

2011

Fivorian’ny Firaisambe Afrikana: Maivana ny olan’ny Gasy ?

Na isika no tsy hivakian’ny olona loha intsony, na maivana sy tsy misy “lohany” ka tsinontsinoavin’ny olona. Na koa heverin’ny mpivory sy mpidinika any amin’ity Fivoriamben’ny vondrona Afrikana ity, fa tsy misy hatahorana intsony ny momba antsika ka avelany hifamaky loha ato isika. Mety anisan’ny anton’izany fanamaivanana izany koa ny maha-nosy an’i Madagasikara ka tsy hatahorana hitsoa-ponenana ny mponina ao aminy, ka hianaka any amin’ny faritra manodidina ny krizin’ny Gasy. Tsy tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana sy ny fitadiavana vaha-olana tsy maintsy ho dinihina ny olan’ny Gasy, na dia voasokajy ho laharana faharoa amin’ny krizy aty Afrika aza. Tsy misy antenaina intsony amin’ny famahana olana ve ny vondrona Afrikana ? Efa mizotra ny fivoriana fanomanana ary hiantomboka ny 31 janoary, ka tsy hifarana raha tsy ny 2 Febroary 2011, any Addis-Abeba renivohitr’i Etiopia ity fivoriana antampon’ny Vondrona Afrikana ity, ary ireo mpanelanelana avy amin’ny vondrona SADC, izay eto amintsika ankehitriny, dia tsy hanatrika akory io fivoriana an-tampony io, fa taratasy manoritsoritra ny zavamisy sy ny dingana vitany no alefany any. Misy antony goavana sa teti-pandaminana vaovao ?.......

Notsarain’ny tantara ny Gasy Efa saika teo amin’ny tampon’ny fitarihana ity vondrona Afrikana ity ny Gasy, roa taona lasa izay, saingy nilingilingy loatra ka nitrosona avy eny ambony eny ka nataon’ny olona fihomehezana (?) ny nanjo antsika. Misy amin’ireo mpanao politikantsika tsy mahafantatra akory izay tena anton’itony politika iraisampirenena itony, ka tsy nahagaga raha tsy nanana vidiny tamintsika akory raha nahanton’ireny vondrona iraisam- pirenena ireny ny nahampikambana ny firenentsika tao amin-dry zareo. Ver y hasiny teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena tanteraka ny firenena Malagasy; tsy noho ny sitrapon’ny Gasy loatra fa noho ny nataon’ny mpanao politikany. Nandritra ny fotoana maharitra dia nitady vahaolana sy dina ifanaovan’ny Gasy ny sehatra iraisam-pirenena, ary nitàna ny lohalaharana tamin’ireny ny sehatra iraisam-pirenena ireny ny vondrona Afrikana, izay nosoloin’ny vondron’ny Sadc tena. Fa ankehitriny dia “mandany andro” mampiteny ny moana eto Antananarivo ry Dr Simao sy ny ekipany. Variana sy mody mihodinkodina eto ireo iraky ny mpanelanelana ireo. Efa nambarany mialoha fa resaka fikarakarana fifidianana izao no tena mahamaika ny sehatra iraisam-pirenena. Dia io ny Gasy fa mihaino am-pankasitrahana sy samy mihevi-tena fa mahazo rirany amin’ireto mpanelanelana ireto. Ambonin’ireo dia efa nandeha be koa moa ny feo tamin’ny herinandro teo fa hisy solontenan’ny Quai d’Orsay (Frantsay) ho avy eto Antananarivo hitondra ny mety ho hevitra frantsay amin’ity olantsika ity, saingy nanambara ny ao amin’ny ambasady frantsay ao, fa tsy misy izany iraka izany. Tsy misy mpiraharaha intsony izany ny krizy gasy ? Tsia ! Tsy izany velively no mety ho anton’izao politikan’ny sehatra iraisam-pirenena izao. Ho avy ny fotoana tsy maintsy handraisan’ny Fi renena Mikambana mivantana ny fikarakarana ny fifidianana eto amintsika. Tsy hisy fahefana gasy hikarakara izany intsony eto, satria tsy mifanaraka sy “mafy loha” ny mpanao politika Gasy.

Ho rava ny fahefan’ny mpitondra avo Tsy mahafehy ny fitantanana ny asa tokony hataony intsony ny mpitondra avo, ka hirotsaka an-tsehatra ny vondrona iraisam-pirenena hametraka ny “zivany”. Ireo firenen-dehibe dia mety ho nahatsapa fa fotsy rora niteny ny SADC sy ny firaisam-be Afrikana, ka hivelatra amin’ny sehatra lehibe kokoa ny fitadiavany ny vaha-olana. Ao anatin’ny firenena ravarava tsy misy mpitondra sy fahefam- panjakana ankatoavin’ny mpiray firenena rehetra ao aminy, dia tsy maintsy tonga ny Firenena Mikambana handamin-draharaha. Tsy sarotra aminy ny mitady ny foto-dresaka hanilihana ny mpitondra be marenina sy tsy mitady ny vaha-olan’ny fireneny: Mahazaka fitondrana ve ny mpitondra avo eo anatrehan’ny tsy fandriampahalemana sy fiparitahan’ny f i taovam-piadiana ? Tsy mahalasa saina ny f i renen- dehibe ve ny fitoriana nataon’ny Filoha teo aloha ? Ny figadran’ireo Jeneraly any Tsiafahy sy ny fampielezambaovao ataon’izy ireo tato ho ato ? Ny fomba fanajana ny zon’olombelona amin’ireo mpanao politika mbola any am-ponja, ary indrindra ny fiverenan’ny olom-boafidy “voaheloka” nandray indray ny adidiny ? Tombano aminkitsipo fa eto amintsika izao ny solontenan’ny ONU izay nalefan’i Ban Ki Moon sekretera jeneraliny, mba hakahaka ny hevitr’ireo mpanao politika Gasy, amin’izay fepetra hahafahana mandray ny fitaovana sy ny olon’ny firenena mikambana hampanao fifidianana eto. Tsy maivana, araka ny fanombanana azy, ny olan’ny gasy, fa raisin’ny “ngeza” ampahamatorana satria ny Gasy tsy atahorana hiady loatra… Saingy ilaina satria misy “raha” donko eto e!

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra