jeu.
27
janv.
2011
Tao anatin’ny onja-peo iray no nivahi-nianan’iny olona iny ny alin’ny Alatsinainy lasa teo, ary dia nipetraka tanteraka amin’ny
maha-mpitondra azy tokoa izy tamin’izany.Valalanina ihany ny mpihaino sendra naharaka ity fandaharana ity satria dia lasa olon-kafa mihitsy ve iny olona iny fa tsy toy ny fahiny intsony? Adinony
ny tombotsoan’ilay valala- bemifoha firesany hatrizay, tsy ilaina intsony tokoa angamba ny méditation? Ny “dera sy laza” ho a nao Andriamanitra Ray, nanome ahy vahoaka dondrona sy mora manompo no
hira ka nanakoako sy niverimberina tao.“Ianareo rehetra mahatsapa fa tsy tanteraka ilay fampanantenana vary mora 500 Ar ny kilao, dia manjaira t-shirt dia asio soratra hoe: aiza ny vary 500Ar ny
kilao, dia manaova fivoriana sy fitangoronana eny an’arabe”, io no teny naverimberin’iny olona iny tao amin’io onjam-peo io.........
Raha nanontany moa ilay mpanao gazety hoe: olona mahantra ve hanana vola hanjairana t-shirt? Dia ampahato-niana tanteraka ihany koa no nanambaran’iny olona iny fa tsy misy mahantra hi-téléfôna amin’ny radiô.Nosoritsoritan’iny olona iny tsara fa mila manetsik a ny fokontany miisa 192 eto Antana narivo renivohitra, ny mpana o politika raha te- hamerina ny hasin’izany kianjan’ny demokrasia izany. Tamin’ny foto-an’andro nanokanana io kianja io, tamin’ny fiatombohan’ny tolona, hoy izy, dia nahazo alalana tamin’ny be-n’ny tanàna sy ny préfét de police, ny mpitarika tamin’izany koa tsy nahagaga raha niara-nihetsika Antananarivo. Ankehitriny dia olona telon-jato na roa n-jato no mitady hibodo sy mila hampiasa ny kianjan’ny demok rasia. Mahagaga!
Tena manana fitadidiana tokoa iny olona iny ka hideràna azy manokana ny fampatsiahivany ny tantara toy izany, fa hay ity vahoaka Gasy ity dia mora manadino ny zavatra niainany. Tsy asiana ady hevitra betsaka ny amin’izany, fa ny nanaitra ihany koa dia ny filazana nataon’iny olona iny fa tsy ampy hihetsehany manao ny asa ny amin’ny maha- mpitondra azy ny k arama ra isiny ankehitriny. Tsy mbola vita ny tranony izay efa natombony ta lohan’ny nahazoany fitondrana, mbola manofa trano izy, ary mbola efatra ihany ny fiara ananany.Moa mba fantatr’iny olona iny fa marobe nomangirifiry raha mihaino (fotsiny) izany resany izany? Sanatria toa mandatsa sy maneso ny tsy fananan’ny hafa ve iny olona iny? Ataovy, hoy iny olona iny, ny fitak iana raha misy zavatra nampanantenaina anareo ka tsy tanteraka. Marina sy tena lôjika tanteraka izany resany izany saingy ilay fomba hanantan-terahana ny fitakiana anie no manahirana r’iny olona iny e! Ianareo mahay nitaky sy nahavita ny fitakiana tsinona efa any anaty lapa any da holo, sady ia nareo ireny ihany no mahay mampanaja ny ara-dalàna, fa ny fitak iana ataon’ny hafa dia haingo diso an’Iarivo, sady filàm-baniny fotsiny. Izany indrindra no naha-tonga ny mpitaky ara-politika marobe mbola any anaty fonja any. Samy mba na nofinofy teo ny mpihaino ity onjam-peo ity, satria mba nanantena an’iny olona iny hitarika ny fanjai-rana an’ilay t-shirt hanaova na ny fitakia na isan-karazany.Izy manko dia mahay manao ny fanentanana amin’izay fitakiana ny tsy rariny izay, sady ny famoria m-bahoa ka nataon’iny olona iny dia nahazoa ny alala na ara-dalàna. Ara-dalàna hatramin’ilay nampiasàna tandra-mokotra mankadiribe terý amin’ny Minisitera teny Anosy ve ry iny olona iny? Iny tranga iny no adinon’ilay mpanao gazety no nanontany azy. Samia ho ela velona fa tena tsy takatry ny kely vola tokoa izao ny atody e!