mar.
25
janv.
2011
Tsy misy safidy fa tsy maintsy miatrika ny fiakaran’ny vidin-tsolika ny firenena malagasy. Fisondrotana hatrany am-potony io ka tsy azo hialàna araka ny tenin’ny minisitra misahana ny angovo. Tao anatin’ny andro maromaro dia efa nifampidinihan’ny mpitondra tetezamita tamin’ireo mpandraharaha momba ny solika io satria ankitsirano no nilazan’ny minisitra fa tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny malagasy io amin’izao fotoana izao. Efa misy anefa ny tobin-tsolika nampakatra ny vidin’ny vokatra ao aminy. Tombanana Ar 300 isaky ny solika 1 litatra ny fisondrotana, izany hoe mbola tsy nisy fisondrotana be tahaka izao hatramin’izay. Etsy andaniny anefa ny fanjakana dia mikaroka hevitra fatratra mba hampihena ny vidin’entana ilaina andavanandro..............
Na mbola tsy nisondrotra azan y vidin’ny solika dia efa tsy nitsaha- nisondrotra ny vidin’entana. Ity solika ity hatrany anefa no fototry ny fisondrota- bidy misy eto. Ny gazoaly fotsiny, ohatra, dia 4 litatra latsaka no azon’ny Ar 10 000. Haingana dia haingana ny fanararaotan’ny mpivarotra, eny, hatramin’ny mpivarotra anana aza, dia mampakatra vidin’entana tampoka fa hiakatra hono ny vidin-tsolika. Manombok a k izi t ina ny mpiasa amin’ny taxibe fa mihena ny fihinanana. Arakaraka ny vola miditra mantsy no handraisan’ny maro amin’izy ireny, karama. Ny mpitondra fiakaretsaka koa dia mahatsiaro voa satria voatery mampakatra ny saran-dalana ho Ar 5000, raha Ar 4000 no nahazatra. Tsy vitsy koa ny orinasa efa mampihena ny fiara ampiasaina fa aleo mampiasa fitaterana hafa toy ny taxibe. Any amin’ny tetezamita irery ny vahaolana. Izy rahateo no efa nahafantatra fa tsy ho zakan’ny vahoaka malagasy ny fisondrotana amin’izao fotoana izao. HERY A