mar.

25

janv.

2011

Manontany ny ory

Tsy foana tsy akory ny zavatra rehetra efa nalamina hatrizay, fa anontaniana aloha hoe : Iza no ory sy mahantra eto amin’ny tanàna? Dia omena karatra manga ireny olona ireny mba ahafahany miantsena eny amin’ny “supermarché Mora”. Tsy maty na koa “vizana” ity fivarotana noforonina talohan’ny fitsapan-kevibahoaka ity, fa haka hery vaovao manomboka amin’io volana febroary ho avy io. Ireo resaka ireo no azo handikana ny fanazavana nomen’ ny tompon’andraikitra amin’ity ala-sahirana ho an’ny vahoaka tena mahantra sy ory ity. Aza manome tsiny isika rehetra raha “supermarché mora” no anoratana azy, fa tsy araky ny voasoratra eny amin’ny vatan-drindrina misy ilay famatsiana. Anisan’ny kabarin’ny mpitarika ny tetezamita tamin’ny fiandohan’ny taona teo mantsy ny hanangana supermarché manarapenitra sy avo lenta. Koa hivadika ho lamaody indray izany io fomba fiantso ny “tsena Gasy” hatrizay io, saingy avahana tsara ny mpiantsena ka hisongadina ny fizarana ho roa mazava, dia ny fara-hidiny mitondra karatra manga sy ireo tsy ho tehafindalitra mitondra “volabe” hameno harona...........

Iza amin’ny Gasy ankehitriny no sahy hivolana imasombahoaka fa manankarena sy manontany ny ory? Betsaka sy tsy ho voatanisa kosa e! Moa tsy eto amintsia no misy ny trano raitra sy kanto, higalabonan’izy ireny? Ny fiara “jôjôpil” sy matanjaka hifampideran-kery isaky ny faran’ny herinandro? Ny lanonana isan-kariva hisotroana sy himanoana ary hijangajangana esy sy eroa? Tsy aty an-drenivohitra ihany no misy ireny manontany ny ory ireny fa marobe sy mieli-patrana any amin’ny faritra rehetra any, any anmbanivolo any. Tsy manana ahiahy amin’ny ho aviny ve izy ireny? Tsia! Mitaintain-dava amin’ny hafitsoky ny tsy fandriampahalemana, izany hoe ory sy mahantra ihany koa izany ireny sokajin’olona ireny fa tsy araka ny fijery azy ety ivelany? Dia samy manana ny maha-ory sy maha- fahadiranovana azy izany ny isam-batan’olona, ny mpiray vodirindrina, ny mpiray firenena? Fa tsy efa zavatra iainan’ny manan’aina rehetra ve moa izany? Sahinao ve ny hilaza fa “hadalana” avy amin’ireo mafy ady tokoa no nahatonga azy hiaina ny tsy rariny manjo azy? Sitra-pony ny hiaina ao antin’ny trano “sasé”? Ny hahandro sakafo ao anaty kapoaka? Ny hisaringi-boro-damba? Fidiny azy ireo no hampiasa ny zanany hangataka etsy sy eroa? Tsy afaka mianatra. Dia ifandovan’izy rehetra ny fahoriany mba hotaigenan’ireo mpanontany ny ory. Zara miangatra avy amin’ny anjara sy vintana ve izany? Sa tsy fahaizan’ny mpiara-belona hitady vaha-olana iombonana eo amin’ny fandavorariana ny fiainany andavan’andro? Iza no tompon’antoka amin’ny fizarana ho roa mazava tsara ny Gasy? Tsy misy “antonony” intsony, fa na mahantra sy mpitrongy vao homana any ivelan’ny fanampahan- kevitra atao eto ianao, na mpanankarena tsy miasa mafy kanefa tompon’ny fandindina sy mahalala ny tetika hitondràna ny firenena. Tsy politika ve no mahatonga izany? Sa tongatonga ho azy? Dia anontaniana ny hevitr’ireo resy ara-piara-hamonina ireo rehefa hanamafy ny tombony ho azy ny mpanontany ny ory, omena azy ireo ny vaha-olana tsy mahavita taona, fehezina ny zavatra azony atao sy eritreretiny. Ha-”mora”-ina ny fahoriany sy izay hevitra mivoaka ny tsikalam-pieritreretany. Izany no politikan’ny Gasy hatramin’izay ka hatramin’izao: Politikan’ny zarazarao hanjakana, nandalo ny politikan’ny kibo, ny revolisiona sy ny fanagasiana diso dika, ny demokrasia sy fahafahana tsy nihinanan-kanina, ny politikan’ny mpanana tsy haka ny an’ny tsy manana, ary amin’izao dia ny fanovàna miverin-dalana any amin’ny 30 taona lasa. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra