mar.

25

janv.

2011

Fianarana eny ambaratonga ambony: Mila ho faty mihitsy ireo ray aman-dreny

Tsapa fa tena miafy sy manao izay ho afany mihitsy ireo ray aman-drenim-pianatra amin’izao fotoana raha amin’izao krizy izao no asianteny. Tena mandany vola be tokoa ireo mpianatra izay mianatra eny amin’ny sekoly tsy miankina raha oharina ny eny amin’ny sehatra tantanin’ny fanjakana, toy ny eny Ankatso. Vi tan’ny fanadinana Bakaloreà, dia samy mihazakazaka misoratra anarana eny amin’ny Anjerimanontolo ny ankamaroan’ireo mpianatra. “Eny tsy mba misy vola aloa firy afa-tsy izay tsy maintsy aloa isaky ny voalohan’ny taom-pianarana ihany, ohatra ny saran’ny fisoratan’anarana” hoy Manohisoa, mpianatra iray izay mikasa hanohy ny fianarany eny. Maro amin’ireo ankizy tokoa arak’izany no mandeha mandray anjara amin’ny fitsapaham-pahaizana eny Ankat so, mba hialana amin’ny vola be aloa aty amin’ireo sekoly izay tsy miankina................

Maro amin’ireo ankizy mianatra aty amin’ny fianarana ambony tsy miankina no miala an-daharana noho ny tsy faharahana ny sarampianarana intsony. Manaikitra dia manaikitra tokoa mantsy ny ekôlazy amin’ireny toerampianarana ireny. Ka tsy vitsy noho izany ireo ankizy izay manapaka ny fianarany tsy fidiny ary lasa mitady asa kely eny ananonanona eny. Misy amin’irony fianarana ambony tsy miankina irony koa no tsy manao afa tsy fitadiavam-bola fotsiny. Mila mailo ihany satria maro amin’ireo toeram-pianarana ireo no andoavana vola be nefa ny fampianarana indraindray zara fa misy.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra