mar.
25
janv.
2011
Amin’ny herinandro fiandohan’ny volana febroary izao vao handao an’i Madagasikara ireo mpanelanelana avy amin’ny SADC, izay efa herinandro mahery izao no eto amintsika. Efa misy ve ny vokatra amin’ny fanelanelanana hataon’izy ireo ? Mihetsiketsika toy ny “kankana mivoaka itany” ny rehetra. Mihiboka any Ananonanona any ny FFKM, nihanitombo hery ny CNOSC, mametraka fepetra ireo voatonontonona ho praiminisitra, mangovi-pataloha ireo minisitra tsy maintsy hangorondamba, mieboebo tsy misy toy izany ireo efa nafantsika any an-dapa any. Aoka tsy ho adinoina fa zava-dehibe loatra, tsy azo tsinontsinoavina, ny resaka “fandoloana” nataon’ireto iraky ny SADC ireto, fa ho avy ny Firenena Mikambana hikarakara sy hanatontosa fifidianana mangarahara eto amintsika. Mody fanina amin’io resaka io daholo ny mpanao politika Gasy, kanefa azo antoka fa ho very tanteraka « izy mianakavy » raha vao tsy mifanaraka sy mifandamina ka ny « fitondram- panjakana » hifanarahana ihany no hanatontosa sy tompon’antoka amin’io fifidianana io..............
Main’ny afo natsangany Tsy azo antoka sy tsy eken’ny « rehetra » ny fifidianana mbola ho karakarain’ny governemantan’ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita, na koa ilay CENI, izay ny mpitondra avo ihany no nanangana azy. Tsy ny fanovàna ny olona mpikambana ao amin’io governemanta io, na io CENI io, no fototra iraisan’ny « rehetra hevitra ». Diso paika izay mpanao politika mbola hifandrombaka hanolo ny praiminisitra sy ny mpikambana ao amin’ny governemantany, kanefa tsy mahafantatra akory izay programan’asa, na koa fe-potoana hiasany. Inona marina moa no « lalàna fototra » hijoroan’izany fanovàna olona izany ? Voalazan’ilay l a l àmpa n o r e n a n a v e ? Mbola voafaritry ny didy aman-dalàna nanorenana ilay governemanta Vital ve ? Sa inona ? Eken’ny rehetra ve fa ny « Fitondra Avon’ny tetezamita », araka ny nankatoavan’ny HCC azy, tamin’ny alalan’ilay didy hitsivolana malaza iny ihany, ity hamafisina sy hanovàna olona ity ? Sa fitondrana sy fanjakana hafa mihitsy ? Izany no olana, fa tsy misy resaka olona ho tendrendRanona na i Ranona. Raha mbola tsy manaiky amin’ny alalan’ny « f i fanarahana vaovao » ny mpi tondr a ankehitriny fa hiara-hanangana fitondrana sy fitantanana vaovao hafa, miaraka amin’ i reo her y pol i t ik a hafa mpifanandrina aminy, dia mbola ho main’ny afo natsangany ihany « isika » mianakavy. Mbola ho lany andro ihany ! Ary vao mainka hifampiandry kendry tohina ihany.
Miaiky heloka, famotsoran-keloka Aza menatra mamerina mamaky ireny dina nifanaovan’ny mpanao politika taloha ireny, sy mangalatahaka amin’ny tantara efa niseho hatrizay. Aza miafina ao ambadiky ny fanovàna fotsiny fa ekeo ny toe-javamisy iainan’ny firenena, sy ny fitsokan’ny rivotra politika maneran-tany. Ekeo fa nihongana noho ny « tetika politika » ny mpitondra teo aloha, aza ahilika any amin’ny « vahoaka » tsy nahalala afa-tsy ny fahasahiranana ara-tsosialiny tamin’izany ny resaka. Ary ekeo indrindra indrindra koa fa ilain’ny mpitondra avo ny « fifanarahana politika vaovao » mba tsy hiverenan’ny krizy politika intsony. Moa tsy tokony ho tsinjovina dieny izao ny mety hateraky ny « fitoriana ara-politika » nataon’ny Filoha teo aloha amin’ireo rehetra nanao ny tetika nampihongana azy ? Tsy mahatsiaro ho tompon’antoka amin’izany tokoa ve ny mpitondra ankehitriny ka sahy hivolana fa ny vahoaka malagasy amin’ny ankapobeny no hiantefan’iny fitoriana iny ? F’angaha moa tsy safidim-bahoaka tamin’ny alalan’ny fifidianana no nahatonga azy ho teo ? Ka vahoaka iza ity toriny ? Mpanao politika toa an’iza eto amin’ity Madagasikara ity ankehitriny no mihevitra fa madio mangatsakatsaka ka tsy azon’ota ? Ka mbola hanohy ny fomba ratsy hatrizay ihany ? Hibaiko sy hanery ny fitsaràna ? Moa tsy tokony hiaiky heloka daholo « isika » rehetra ? Mila ho votsorantsika ny heloka nataontsika, ary mifanaiky fa tsy hamerina ny « hadalana » taloha, raha tsy izany dia aoka ihany ! Aza manangana sy manome hasina ny ota efa natao. Moa tsy izany no dikan’ny tenin’ny Apostoly Paoly tamin’ireo Romana fahiny : « …fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra » (Rom 3:23). Tsy resaka tsimatimanota sy tsikombakomba ratsy izany fa dina ifampifehezana, ary anatra ho amin’ny ho avy. Sa raha tsy voa, tsy ho fay ?