mar.

25

janv.

2011

« Clitoris »: Bokotra kelin’ny fahafinaretana

« Clitoris », na kitso, na tsaramaso. Io no tena taovan’ny fahafinaretana. Bokotra kely mety ho vitsy mpahalala, nefa miasa be eo amin’ny fananahana. Indro ampahafantarinay anio ny mombamomba azy. Eo amin’ny fihaonan’ny “petites lèvres” no misy ny kitso, ho an’ireo tsy mahafantatra. Rehefa safosafoina na kasikasihina izy dia mihitatra ka eo no ahitana ny toerany. Tsy hita manontolo ety ivelany ny kitso. Eo amin’ny 1sm eo ihany no hita, dia iny faritra mavokely miseho kely iny. Miova araka ny toebatan’ny vehivavy tsirairay ny haben’ny kitso, 2 ka hatramin’ny 4sm eo. Tsy misy ifandraisany amin’izay habeny izay velively anefa ny fahataitairany. Misy itovizany amin’ny filahiana ihany ny kitso, eo amin’ny fombafombany. Mitaramena izy ary mitombo ny hadiriny rehefa ampy tsara ny “excitation”. Faritra tena marefo ao amin’ny taovam-pananahana kosa anefa ny kitso ka tsy tokony hoe hiraparapana ny fikitihina azy. Fihetsika kely mahery setra fotsiny dia mety hampanaintaina azy. Aza kitihina mihitsy izy raha tsy ampy tsara ny hamandoan’ny taovam-pananahana manontolo. Ataovy betsaka ny safosafo sy ny orokoroka … hahamando azy. Tsy ny atin’ny “clitoris” ihany koa no kitihina fa eo amin’ny molony sy ny manodidina ivelany fotsiny ihany. Miteraka ny “orgasme” ho an’ny vehivavy ny fahaizana mikitika ny “clitoris”. Izay ilay antsoina hoe “orgasme clitoridien”

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra