lun.

24

janv.

2011

Tonga aloha loatra Ny fanafodiny ?

Ny 30%-n’ny lehilahy Frantsay no voalaza ho tsy mahatazona ny ranon’aina fa diso tonga aloha loatra rehefa manao firaisana aranofo. Mety hitranga amin’ny lehilahy Malagasy ihany koa anefa izany. “Ejaculation précoce” indray kosa no anarana iantsoana izany amin’ny teny vahiny. Tsy aretina izy io fa fomban-javatra ihany. Amin’ny voalohany aloha tsy mahataitra ny tonga aloha loatra, saingy mety hampieritreritra ihany kosa izy rehefa tena miverimberina matetika. Tsy vitan’ny hoe tsy fahatomombanana ara-batana ny tonga aloha loatra fa manakorontana ny sain’ny lehilahy iharany ihany koa. Tsy tokony ho tezitra na sorena na hanome tsiny azy ny vehivavy miaraka aminy, satria mahatsiaro ny tenany ho tsy afa-po koa ilay lehilahy miaina izany..................

Tsy misy aloha ny mazia tena hoe manafaka ny tonga aloha loatra, saingy misy kosa ny fanafana mety hanampy, raha toa ka voamarina fa tsy ara-medikaly no fototry ny olana. Mifanampy ny mpivady miara-misoroka azy. Fanafody iray ialana amin’izany dia izao. Mandritra ny orokoroka sy ny safosafo mialoha ny tena firaisana ara-nofo dia andramo tsy kitihina mihitsy ny faritry ny taovam-pananahany. Avelao handehandeha amin’ny faritra hafan’ny vatany ny tanana sy ny lela, saingy avelao mihitsy ho amin’izao ny taovam-pananahany. Fomba iray hafa azo andramana ihany koa. Mandritra ny firaisana ara-nofo, rehefa tena ho avy ny fitosahana dia asaina mijanona kely mihitsy aloha ilay lehilahy, asaina mieritreritra zavatra hafa tanteraka tsy misy ifandraisany amin’ny firaisana ara-nofo izy amin’iny fotoana iny. Fomba hafa ankoatra ireo ilay antsoina hoe “freeze”. Rehefa tena tafakatra avobe ny mari-pana te hanatosaka ny ranon’aina dia tsindriana kely eo amin’ny fanambanin’ny taovam-pananahany. Afaka manao “masturbation” ihany koa ny lehilahy mianatra mifehy ny “excitation”-ny sy ny filany, ahazoany manatara kokoa ny fanatosahana ny ranon’aina. Torohevitra farany dia mazotoa manao firaisana ara-nofo. Arakaraky ny mahamaro ny fiarahana vita mantsy no hahaizany mifehy hatrany ny filany.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    fory (lundi, 24 janvier 2011 18:46)

    mlay e

  • #2

    karim (mardi, 08 mars 2011 11:55)

    misaotra t@ torohevitr fa andeha appliquer_na izan!!!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra