lun.

24

janv.

2011

Manga ny resaka ?

Raha misy ny olona be fanantenana sy velon-tsiky, rehefa avy niresaka tamin’ireto mpanelanelana vahiny ireto, dia anisan’ny voalohany iny olona iny. Fa dia inona loatra no noresahan- dry zareo tao? Tsy nanambara zavatra betsaka iny olona iny, fa ny finoany amin’ny fivahan’ny krizin’ny Gasy no natetika niverimberina teo am-bavany. Tsy maintsy hisy ny fifanarahana, hoy hatrany iny olona iny, fa mbola tena ao anatin’ny dinika ny rehetra ankehitriny. Inona loatra no vontoatin-dresaka tao no velon-tsioka iny olona iny? Ary nahoana moa izy no noraisin’ireto mpanelanelana vahiny ireto? Sa noresahina tao indray ny mety hanatanterahana izay ampahan’ny voasoratra tao amin’ilay dina nosoniavin’ny efa-tonta tany Maputo? Asa raha tsaroantsika fa efa niteronterona nandritra ny herinandro vitsivitsy teny Mahazoarivo teny iny olona iny taloha. Nihodinkodina sy nandray masoivoho vahiny marobe no nataony tao, nandray sy namadibadika ny taratasin’ireo te-ho minisitra tamin’izany. Nandrasana fotoana maharitra fa tsy nahavanona sy tsy nahatsangana governemanta mihitsy iny olona iny tamin’izany. Ary ny niafaràny moa dia nangoron-damba fa tonga ny miaramila mena vazana nandimby azy tao............

Tsy re tsaika no nialàny tao fa nangingina tanteraka. Nivalona sy nivadika ihany ity ny taona fa mbola anaty krizy ihany ny malagasy, ary dia nanambara iny olona iny, tao aorian’io fihaonany tamin’ny mpanelanelana io, fa tokony ho jerena ny olan’ny mpampianatra mpikaroka, ny mpandraharaha isan-tsokajiny, ary miandrandra ny fifanarahan’ny rehetra ny mponina. Dia manontany tena ny mpanaraka ny zotra politika alehan’ny firenena hoe: Any amin’iny olona iny ve izany ny lakilé famahana ireo olana notanisainy ireo? Sa manana ny tetika mahomby hatolotra ireo mpifanandrina ny tenany manoloana ny fikatsoana? Sa izy mihitsy no nampanantena tamin’ireo mpanelanelana fa mbola vonona hanohy izay efa natombony tany aloha? Tsy maintsy nisy ny fifankahazoana sy ny fanantenana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, matoa mino ny fivahan’ny olana ao anatin’ny fotoana vitsy iny olona iny. Hita taratra teny amin’ny endrik’iny olona iny tokoa ny tsikitsiky sy ny fahamatorana teo amin’ny filazany ny vokatry ny dinika. Fa tsy io toeran’ny Praiminisitra io indray tokoa ve izao no nahabe resaka tato ho ato? Ka mbola any amin’iny olona iny ve ny fankatoavan’ny ankolafy efatra efa nanao sonia, ny maha-praiminisitra azy? Efa niova mantsy ny tontolo politika tato ho ato, ka samy manandra-tena ho tompon’ny dinika sy ny vaha-olana daholo izay rehetra miteny sy mahavorivory mpanohana. Ny ankolafin- kevitra (sy hery) koa efa mitombo sy tsy hita ho tanisaina intsony, ary samy milaza fa hanolotra anarana ho praiminisitra daholo ny ankamaroany. Dia natolotr’iza sa ny ankolafin’iza iny olona iny? Sa mbola tsy nivadi-belirano izy hatramin’izao ka mbola ny ankolafy Ratsiraka no naniraka (na hankatoaviny) amin’izay rehetra hetsika hataony? Sa efa manana ny azy manokana ihany koa iny olona iny? Mbola mistery daholo izany rehetra izany fa mahatsiaro ny tenany ho tsara toerana indrindra miohatra amin’ireo mpifaninana aminy angamba iny olona iny matoa velon-tsiky e! Saingy hatramin’izay nahavitan’ny sambon’ny mpitarika ny tetezamita avo izay anie dia efa malaza fa Rajoelina Andry no hanendry Praiminisitra r’iny olona iny, fa tsy ny dokotera Simao akory e ! Raha avy nivoaka ny lapan’Ambohitsorohitra ianao no miramirana dia tena azo antoka tokoa fa hivaha ny krizy, sa ts’zany? Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra