lun.

24

janv.

2011

Lt Kl Charles sy Jly Noel: Nilatsahan’ny fanahy masina

Mampiova zavatra tokoa ny fonja. Iza no nanam-po fa roa taona ato aorian’ny tsiambaratelon’ny fanonganam- panjakana niseho ny taona 2011 ireny no nanao ampamoaka ireo atidoha nahazoan-dRajoelina ny fitondrana ankehitriny. Vola tsy toko tsy forohana no nanonganana andRavalomanana. Teran-tany karana izay manana tsena malaza eto an-drenivohitra, miampy mpanao politika sy mpandraharaha goavana maro no voalaza ao anatin’ity taratasy ity. Niampy ireo be sandry eny ambany tanàna, izay manao andiany 20 sy 30 avy, ka nandeha nandoro ny Magro sy ny RNM, TVM ary ny MBS . Teny Ambatomainty no niketrehana ny « Lundi noir », izay tranona mpanao politika mpikambana ao amin’ny cst ankehitriny.............

Manamboninahitra maro miara-dalana amin’ny tetezamita ankehitriny no niray petsapetsa tamin’io fanonganam- panjakana io, hoy ny taratasy nalefan’izy roalahy migadra eny Tsiafahy ireto. Vola 1 tapitrisa ariary isan’andiany. Manerana ny faritany no nanaovana ny hetsika, ary saika isan’andro no nisian’izay fivoriana izay. Nampitaina any amin’ny Chissano sy ny sehatra maro maneran-tany ity taratasy fijoroana vavolombelona tamin’ny fanonganana natao tamin’ny 17 martsa 2009 ity. Fitaovam-piadiana mahery vaika no nampiasaina, ary hatramin’ny vono olona tamin’ny 7 febroary ary, dia ketrika efa nomanina avokoa, mba hisian’ny ra mandriaka hamonto ny tolona ho amin’ny fahombiazana. Vita sorona izany ny vahoaka niakatra teny Ambohitsorohitra, satria mipoitra avokoa ny marina, izay nohehezin’nyakoho tokan’anaka. Hanao ahoana ny ho avin’ireto manamboninahitra migadra namoaka ny tsiambaratelo rehetra ireto ? Tsy matahotra ny ainy izy ireo, satria efa voampita ny marina, ary mbola hisy fanampiny araka ny voalazany tamin’ilay taratasy latsaka avy any am-ponja. Izany tokoa ny hoe nilatsahan’ny fanahy masina ny lt kl Charles sy ny jly Rakotonandrasana Noel e. Toa nisy nanenina ihany ny nampiditra an-dry zalahy ireto tany am-ponja sy ny tsy nahaizana nanambitamby tombon-tsoa be azy roalahy tompon’ny ketrika ara-tafika ireto e. Izao mipoitra avokoa ny marina, ary hiantsoany ny fitsarana iraisam-pirenena hitsara ny olona rehetra voakasik’iny raharaha iny. Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    Djangil (jeudi, 27 janvier 2011 12:36)

    Vola tsitoko tsy foroana ve hisy otran'ny an'i ra-8, sady eo amin'ny fanjakana enao no sady manana ny fahefana feno no sady afaka mamoaka ny fonds spéciaux sns.Ireny tenin'i Charles reny no atao hoe tsipaky ny miala aina ka refa maty aho matesa rahavako

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra