lun.
24
janv.
2011
Fitondrana manao ahoana loat ra ny eto amintsika eto ? Tokony ho noroahina tsy hijanona ao Tsiafahy ao ireo gadra tsy mitsahatra ny maneho hevitra sy mamoaka fanambaràna isaky ny mihetsika ireo. Andao halefa any ivelan’i Madagasikara any, mba hampitombo isa ireo efa lasa any, fa mankalilo sofina loatra ny mihaino ny «revin-gadrany». Taiza teto ambonin’ny tany no hisy gadra hanao fanambarana fa tribonaly toy izao sy toy izao no tokony hitsara ny “afera” izay nataony ? Ianao mihevitra fa mpitondra fanjakana mampihiboka azy ireo any Tsiafahy any anie no lany henatra, niara-nisalahy sy niara-niasa tamin’izy ireo e ! Izao havoakany daholo ny “hagaigena” niarahanareo rehetra nifarimbona teto amin’ny tany sy ny firenena. Maninona no tsy tampenana ny vavan’ireo?
Maninona no tsy handraisana fepetra ? Ampidiro ao anaty governemanta vaovao indray dia amin’izay izy rehetra mangina e ! Na alefaso any an-dafy any araka ny fomba fanao tsy hita izay maharatsy azy......................
Tsy fotoan’ny fisehoana ho “mas ina” sy ambony fahalalana intsony ny vanimpotoana iainan’ny firenena ankehitriny satria hita miharihary fa tsy voafehin’ny mpitondra tetezamita intsony ny tany sy ny firenena. Tsy hita intsony izay ho vonjena: Fananganana foto-drafitr’asa ve ? Sa famahana ny olona ara-politika ? Sa fifehezana ny fandriampahalemana ? Sa ny fisorohana ny henatra tsy hitohy sy ho fanta-bahoaka ? Mba raiso sary an-tsaina anie hoe : mihevi-tena ho mpitsara tsy mitanila ianao, ary mihevitra fa mitondra ny tenin’ny “betsaka”, andry iankinan’ireo mizaka ny tsy rariny sy ny osa, efa nisora-tena ho raiamandreny tsy miangatra, efa fanta-poko fanta-pirenena fa manana fahendrena tsy nananan’ireo rehetra teo aloha, efa nihambo ho nitondra fiovana, efa nahavita dingana sy nigagan’ny rehetra fa mahay mitantana sy azo itokiana amin’izay rehetra sahaninao. Anananao daholo na voninahitra, na vola, na fahendrena, indrindra indrindra ny fahefana feno tsy azo handrombinana. Eo ampelan-tananao ny “fahafahana” tadiavina sy handrandrain’ireo mpifaninana mivantana aminao mbola voageja. Miankina betsaka aminao ny ho avin’ity firenena ity, na ny sehatra iraisam- pirenena sy ny Firenena Mikambana aza dia resy lahatra eo anatrehanao fa “mety” izay nataonao hatrizay. Izany rehetra izany sy ny « hafa » tsy tokony ho tanisaina eto dia efa voavorinao ho mpankatoa anao daholo. Koa nahoana no izay gadralava sy efa saika nanongana anao no « mamingavinga » anao toy izao ? Moa tsy azo ho raisina ho fahalemenao ny toy izany ? Tsy zava-doza ho an’ny firenena no hahatsapan’ny vahoaka tsy mandady harona fa olona « be tetika » sy « mpiray tsikombakomba » tamin’ireto gadralava ireto i anao i z ay nohever ina hatrizay fa « anjelikely tsy manan-tsiny » ? Dia aiza izany no hiafaràn’ity firenena ity raha tanora Gasy Vonona toa anao no sanatria nanana izay toetra ratsy sy mirefarefa amin’ny tany izany. Tetika voaomana daholo tokoa ve ny famoronana korontana sosialy sy fandrobana natao tamin’ireo fitaovampanjakana sy fananan’olona tamin’iny 26 janoary 2009 iny ? Toy izany koa ny fifamonoana teny Ambohitsorohitra tamin’ny 7 febroary 2009 ? Ny fampiasan-kery tamin’ireo manamboninahitra tamin’ny 17 martsa 2009 ? Dia mety mbola misy hafa koa fa mbola tsy voateny sy tsy voasoratra ? Indrisy ry firenen’ny Gasy raha ireo no marina fa tsy « revingadra » fotsiny.
Sao mampiesona ? Lany henat ra sy t s y matahotra ny hatahoran’ny hafa tokoa ny mpitondra an’i Madagasikara raha manaiky izao fisehoan-javatra izao. Koa rehefa t sy sahy ny hanadio tena intsony, dia tsy « rariny » sy tsy « hitsiny » ve ny mampangina ireo gadra be revy ireo ? Sa lainga natao handotoana ny hafa fotsiny ireo nambarany ? Moa tsy manan-jo hahalala ny marina mikasika ny mpitondra azy ny Gasy rehetra ? Dia Gasy toy inona no terena hanaiky fahefam-pitondrana toy izany ? Sa moa isika manana fitsaràna tena mahefa sy tsy voabaiko ? Dia izay tokoa angaha sisa no handrasana fa raha izao zava-misy izao dia efa tena tsy mahalala menatra intsony « isika » mianakavy, tsy kely tsy lehibe, fa manaiky sy mankatoa izay resaka aparitaky ny gadralava… Oadray diso izany! Mankatoa sy mino izay mahay mampiesona ! M’fona tompoko !