ven.

21

janv.

2011

« Jmar »n-dRamarovahiny : Mpanala baraka gasy i Dr Cateherine Gaud !

Tsy hihemotra amin’ny fikarohana efa nataony Ramarovahiny Nicol, ilay mpanao fikarohana ka nilaza fa nahita ny fanefitry ny VIH/SIDA tamin’ny alalan’ilay fikarohana nahitana ny « JMAR ». Nisy mantsy ny taratasy nosokafan’ny Dr Catherine Gaud, tompon’andraikitra iray ao amin’ny nosy La Réunion izay nambaran’i Ramarovahiny fa fanosoram-potaka azy sy fanambaniana ny fikarohana hitan’ny malagasy. Efa voaporofo tao amin’ny nosy Maurice hoy ity mpikaroka ity ny fahafahan’ny « Jmar » voka-pikarohana hitany, mamotika ny viriosy. Voalazan’io dokotera vahiny io anefa fa tsy nisy fanadihadiana lalina iny fikarohana iny.

Fanalam-baraka sy fisomparana ny fikarohana malagasy ireny hoy izy. Hatreto aloha dia mbola tsy nandray fepetra amin’ny fampiasana ity « Jmar » ity.............

Tsy fanafody hoy izy ny « JMAR » fa voka-pikarohana kilasiana hoe « Phitothérapie » izay fitsaboana amin’ny alalan’ny zava-maniry.

Tsy ny nataon’i Dr Catherine ihany no hanenjehana ny « Jmar » hoy Ramarovahiny fa efa misy andian’olona mitondra ny antontan-taratasim-pikarohan’ity mpikaroka ity any ambadimbadika any. Tsy tompon’andraikitra amin’izay mety ho voasoloky any ity mpanao fikarohana ity. Tsy hipetraka amin’izao izahay hoy izy namarana ny teniny fa tsy maintsy miomana amin’ny fanohizana ity fikarohana malagasy efa natomboka ity.

Mbola hisy fanenjehana hafa mety hahazo anay hoy Ramarovahiny.

écrire commentaire

Commentaires: 2

  • #1

    ratsiferana (vendredi, 21 janvier 2011 10:22)

    Tohizo ny asa fa ny mpanenjika anie na manao ianao na tsy manao misy foana e!!!!Arahabaina izany isika Malagasy fa saika avy eto amin-tsika avokoa no mahita ny fanefitry ny VIH/Sida.

  • #2

    tenikely (mercredi, 27 avril 2011 10:04)

    Tohizo ny ezaka efa natomboka Dr, mbola tarazo sy fanazimbazimbana ny Gasy ho tsy mahay ny ataon'ireo vahiny ireo. Fa tenikely ihany, hanasoavy ny mpiray tanindrazana izay mety ho efa ao anaty famohizam-po noho io aretina io; saingy tsy hatoro voanjo hadiana ianareo @izay ho fiarovan-tena dia ny mampanao Fitiliana maromaro aloha sy mandritra ary ao ahorian'ny fitsaboana (...heken'izao tontolo izao...)mba hanaporofoana fa mahavita azy ny GASY. Ialana tsiny @fonosana io fa manahirana ankehitriny ilay fitenenana. Mahereza e!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra