ven.
21
janv.
2011
Dia nijanona sy nitoetra andro vitsivitsy teto amintsika izay ireo iraky ny SADC, nirahina mba hanelanelana amin’ny fikatsaham-bahaolana maharitra sady mahomby ho an’ny Malagasy. Hatramin’izay andro vitsivitsy maromaro izay, dia nifandimby noraisin-dry Leonardo Simao sy ny ekipany ireo karazana ankolafy sy antoko politika. Nanomboka tany amin’ny filohan’ny fahefana avon’ny tetezamita izany, nandalo tamin’ireo ankolafy telo, ny HPM ka hatramin’ny antoko MDM sy ny maro hafa. Na samihafa aza ny faharetan’ny fihaonana dia nifantoka tamina zavatra vitsivitsy izany, dia ny fametrahana ny rafitry ny tetezamita iaraha-mitantana sy ny fikarakarana fifidianana eken’ny rehetra. Na dia mbola sarintsariny aza dia mitovy endrika sy anarana amin’ireo niaraha-nanaiky tany Maputo ihany ireo andrim-panjakana misy sy eritreretina hapetraka ankehitriny. Ny fidiran’ireo ankolafy sy antoko politika samihafa sisa. Nolalovan’ny resaka ihany koa ny famotsoran-keloka faobe sy ny famoahana ireo gadra politika.............
Lalana roa ihany sisa no azon’ny fitondrana ankehitriny aleha. Na hanohy ny diany ihany izy ireo ka tsy hiraharaha ny hafa ary vao mainka hihamafy ny krizintsika. Sady ireo mpiray tendro sy mpiray petsapetsa ary mpiara-mitondra tsy nanaiky ary tsy hanaiky izany hatramin’ny farany. Sanatria izay hahazo fankatoavana iraisam-pirenena. Handroso itsoahan’ny namana…Na hihemotra ka hanaiky hiara-hitantana ny tetezamita sy hampiditra ny ankolafy sy antoko politika rehetra misy eto Madagasikara ao anatin’izany ary hiara-hikarakara ny fifidianana rehetra. Amin’izay fotoana izay dia tsy hisy intsony sahy hitsipaka izay ho valim-pifidianana eo. Hilamina ny tany ary ho avy tsy ho ela ny fankatoavana iraisam-pirenena. Hihemotra anefa afa-baraka…Hijanona amin’izao koa tsy mahita fahombiazana fa toa vao mainka koa mihamafy ny krizy. Mihasarotra ny raharaha. Ireo iraky ny fianakaviambe iraisam- pirenena anefa toa mandodona mafy dia mafy ny tsy maintsy hahitana vahaolana faran’izay haingana. Koa inona izany no atao? Handroso sa hihemotra? Sa… hiala?