ven.
21
janv.
2011
Efa nampoizina ny ho faharavana sy ny fihetsiky ny “mpandevina alika” eo amin’ireto mpanao politika Gasy ireto. Mivory sy mandany rora kanefa tsy manana hevitra matotra “farafahakeliny” mba hifanarahana. Miverimberina hatrany ny fifanilihana ny andraikitra ho nahatonga ny fahamontsanan’ny dinika natao. Rava ny tsena! Niala maina izy rehetra ary mahamenatra ny naheno teo imolotry ny mpanelanelana vahiny, fa ny ONU (Firenena Mikambana) no ho avy mivantana aty amintsika, amin’ny faramparan’ity volana janoar y ity, handinika sy hijery ny hanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara.
Inona no mahatonga izany? Izay rehetra midinika sy miresadresaka mba hamaha ny olana eto amintsika eto dia variana fotsiny amin’ny fiarovana “olona”. Na iza na iza mpitondra fanjakana hifandimby eto, ka mbola ho toy izao hatrany no fomba fanaovana io politika io dia hiaina anaty krizy aman-taonany maro isika. Ho avy hanatanteraka ny sitra-pony sy ny metimety aminy ny sehatra iraisam-pirenena. Dia veloma ry Gasy fa hiverina hanompo hevitr’olona ianao, ary ho lasa zary tanimanga novolavolaina ny vatanao...............
Tsy mahavaha ny olany intsony ny samy Gasy? Aza mitoditodika mijery ny any an-kafa aloha isika mianakavy fa aoka mba hifantoka ny amin’izay antony tena nampiverimberina ny fifanonganan’ ireo mpitondra nifandimby teto isika. Moa ny vondrona iraisam-pirenena no tena mahafantatra izany antony izany? Dia iza no sahy hilaza ankehitriny fa raha ny Firenena Mikambana no hitantana sy hamolavola ny rafitra hirosoana any amin’ny fifidianana dia hadio sy hangarahara tokoa izany? Iza no ho sahy hanome antoka fa tsy hanana ny “kandidà” ho tohanany io Firenena Mikambana io, ka hanilika izay miseho ho mitsipaka ny fahefam- pitantanany izao tontolo izao? Nahoana ny mpanao politika Gasy no tsy mijery afa-tsy ny “olona” naniraka azy fotsiny ka variana miaro io olona io? Nahoana no halefa ho viravirain’ny mpanao politika tsy manam-baha-olana ny firenena sy ny ho avin’ny tanindrazana? Ny anton’ireo rehetra ireo dia satria tsy nisy na iray aza ny mpanao politikantsika, izay miseho ho mihan-toerana ankehitriny, mba nihomana ho mpitondra fanjakana. Tsy mivonona ny hanaraka ny fenitra tena hahafahan’ny Gasy rehetra handray an-tanana ny fampandrosoana ny taniny. Nahoana ny mpanao politikantsika no tsy manana fahasahiana hamadika ny pejy ? Inona ohatra, no antony tsy hahavitantsika hanao fanorenana vaovao ? Nahoana no voatery hirotsaka mivantana aty amin’ny firenentsika ny Firenena Mikambana mba hitantana ny fifidianana ? Mariho tsara fa tsy hijanona ho mpanara-maso fotsiny ihany izy ireo raha ny tantaran’ny fifanolanana ara-politika teto amin’izao tontolo izao no halalinina kely. Dia hadisoan’iza no nahatonga ny “sehatra iraisam-pirenena” hiditra amin’ny “raharahantsika” ? Raha mbola ho fiarovana ny tombontsoan’ny “olona” mpaniraka fotsiny no mba fototra ijoroan’ny famahana olana eto dia zavatra roa loha no hitranga. Na ny Gasy manaiky hiady noho io tombontsoa manokana io, na koa manaiky ho tantanin’ny hafa ny fireneny.
Porofoy fa an’ny Gasy i Madagasikara Efa azo antoka ve f a hanao ny fitantanan-draharaham- panjakana tokoa no antony ilàntsika mianakavy ny mpitondra ? Efa nifanaiky ve isika fa ilaintsika ny mpitondra manaja ny hevitry ny mpifaninana aminy ? Efa nifanaraka ve isika fa hodinganintsika ireo mpitondra tsy mijery afatsy ny tombontsoan’ny olony fotsiny ? Efa matotra ve ny fifehezantsika ireo fihetsika mamoa-fady rehetra mety hanimba ny toe-karentsika ? Efa mba miha-matahotra ve ireo te-hitondra ity firenena ity, manoloana ny dinika hifanaovan’ireo mpitaky ny tombontsoa iraisan’ireo mpiray firenena ? Rehefa voafariparitra tsikelikely toy izany izay rehetra tokony hifanarahana vao mirosoa amin’ny fizarana ny andraikitra samihafa isika. Moa tsy menatra ny mpanao politika Gasy raha ny sehatra iraisampirenena no manery azy hanangana governemanta iraisana? Ary matoa ny fitondrana avo ankehitriny mbola mandady any amin’io sehatra iraisampirenena io hatrany, dia mbola tsy manana ny hery rehetra maha-mpitondra to teny azy izy. Tsy ho tonga velively anefa izany raha maika fotsiny hanao fifidianana peta-toko ho ravàna rahampitso dia ny rahampitso ihany isika. Tsy azo hantenaina ve fa ny Gasy ihany dia afaka hino fa madio sy milamina ny fifidianana izay nandraisany anjara, raha azony antoka fa tsy hisy intsony ny mpanao politika ho sahy “hitrifana” tsy hanaiky sy hampanaja ny safidiny. Raha tsy ho vitantsika Gasy ny mifampifehy dia tsy maintsy ho fehezin’ny hafa isika. Raha tsy zakantsika ny fanjakana Repoblikana (izay mitaky fifidianana marina) dia mbola hifamaly hatrany isika ary tsy hisy mihitsy izany fifampihavanana izany. Dia aleo tsy mifampidinika intsony satria tsy ny firenena no banjinina fa “olona”