mer.
19
janv.
2011
Nanaitra ny mpanjifa ny fiakaran’ny vidin’ny mofo dipaina teny amin’ny boriborin- tany fahefatra sy ny manodidina iny, omaly alatsinainy maraim-be. Ny mofo dipaina Ar 200 toy ny mahazatra no lasa Ar 300, ary ilay Ar 200 nahazatra dia nihena antsasany be izao ny lanjany. Ny kalitao amin’izany dia tena poak’aty ara-bakiteny. Tampoka ity fampakarana ity na dia fantatra aza fa vokatry ny fiakaram-bidin’ny lafarinina no nahatonga izany. Raha tombanana dia nihena 50% ny lanjan’ny mofo iray, eny fa hatreny amin’ny orinasa goavana sy mihaja io tranga io. Mihoatra ny maitso ahitra noeritreretina ity miseho ity. Ny entana rehetra ilaina andavanandro dia samy voakasiky ny fisondrotam-bidy avokoa raha tsy hilaza afa-tsy ny siramamy, lafarinina, menaka, savony, vary, sy ireo maro tsy tambo isaina e! Miantraika amin’ny s a r ambabembahoaka ny fiakaran’ny mofo dipaina. Tokantrano maro no efa nirona amin’ny fihinanana mofo ho solon’ny sakafo maraina, satria fandaniana ny fandrahoana vary in-telo isan’andro. Etsy andaniny, lasa Ar 100 hatramin’ny Ar 150 ny dite iray kaopy raha Ar 50 no nahazatra. Ar 200 raha asiana ronono. Dia niakatrakatra toy izany koa ny kafe sy ny thécao. Ny ramanonaka sy mofo gasy dia Ar 100 ny iray, raha mbola Ar 50 ilay mofo manify toy ny lelan-tsaka, hoy ny fitenenana. Vokany, noana ny Malagasy. Asa raha hahatody ity fahavaratra ity ny ankamaroan’ireo mahantra. Ny tendan’ny mahantra anefa tsy afaka hiaritra ny fampiatoana ilay tsena mora fa dia eny amin’ny fanariam-pako sisa e! raha mbola hisy koa ny fako azo tsimponina…