mer.
19
janv.
2011
Niara-nahita sy niaranandre ny kabarin’Ingahy Andry Rajoelina filohan’ny Fat tamin’ny lanonana teny Iavoloha daholo ny vahoaka Malagasy rehetra tamin’ny zoma lasa teo. Taorian’iny dia tsy samy naneho ny heviny ny antoko politika. Anisan’izany ny avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert. Raha nilaza ny filohan’ny Fat fa miandry ireo izay mbola te hiditra ao amin’ny sambo izy, dia nanizingizina kosa andriamatoa Tabera Randr iamanant soa av y amin’ny ankolafy Zafy Albert fa “tsy hiditra amin’ny sambo tsy manana kapiteny sy tsy nahavita visity teknika izahay ao amin’ny ankolafy Zafy fa ingahy Andry Rajoelina voasazin’izao tontolo izao no tokony hiverina”. H a t r ami n ’ i z a o d i a mbola tsy manaiky ny fitsapan- kevi-bahoaka natao tamin’ny 17 novambra ny avy amin’ity ankolafy ity. Nanamafy andr iamatoa Tabera Randrimanantsoa fa “tsy manan-kery velively ny lalam-panorenana lany tamin’io fotoana io satria tsy an’i Andry Rajoelina irery ny tetezamita ary tsy nisy afa-tsy vahoaka latsaky ny valo tapitrisa no nifidy tamin’izany”. Ho an’ny ankolafy Zafy Albert dia tsy misy afa-tsy ny fiverenana midinika ambony latabatra ihany no vahaolana. Matoa mantsy mikorontana toy izao ny firenena dia mbola misy zavatra tsy voavaha. “Atao ny dinika ambony latabatra dia miroso amin’ny fampihavanam-pirenena ary mandeha ho azy ny fananganana governemanta iraisampirenena avy eo”, io no vahaolana nentin’andriamatoa Tabera Randriamanantsoa.