mer.

19

janv.

2011

Sambo lehibe

Roa taona mahery izay no nilomanosantsika tao anatin’izao ranomasimben’ny krizy izao. Roa taona tsy mbola nivoaka na tafavoaka fa samy nanavotra ny tenany. Ireo izay tsy nanan-kivoahana na tsy nisy nanolo-tanana ary tsy nahay nilomano ireo ambara ho «isika» ireo. Dia rendrika tao anaty ranomasimbe tao. Etsy ankilany kosa nisy ireo izay nahay nilomano na nahay nanararaotra ny tolo-tanana nanoloana azy ka tafavoaka avy tao amin’ilay ranomasimbe. Tsy nasian’izy ireo sira akory ireo vahoaka marobe efa hanan’ny krizy sy tototry ny atsanga navelan’ny tondra-dranon’ny krizy. Tsy vitan’izay fa tsy nasehon’izy ireo ny vahoaka akory ireo tolo-tanana avy any ivelany. Ny tena loza dia toa vao mainka ampangasihasiana fa misy sambo lehibe iray entin’izy ireo hatrizay ka aty amin’ny taona 2011 vao nampahafantarina ny olon-drehetra fa afaka mitaingina izany ny rehetra.............

Dia ho sanatria tsy nampahafantarina ny vahoaka mihitsy ve izany ny fisiany sy ny maha izy azy, mba tsy hisian’ilay fivelarana dradradradraina ? Satria ve tsy maintsy natao aloha ny fandaminana anatiny (anatin’ilay sambo), ny fampidirana ny akama sy ny namana nomen-tanana, izay vao naseho vahoaka ? Fa inona no antonym ? Raha ny marina, noheverin’ireo efa tao anatiny fa ho vitany irery ny fitondrana ilay sambo goavana. Noeritreretiny fa tsy ilana olon-kafa ny familiana sy ny fiainany manontolo, ka tsy nitadiavana ny hafa izay mety hanova ny fizotrany. Kinanjo, vao teny antenantenan-dalana, dia indro fa tsy maintsy nitady hery hafa. Nomanina ny teny Ivato, nalamina ny paikady, dia tafiditra ny mpamadika palitao, rehefa nifanaraka teny Vontovorona, dia nofaranana teny Ivato ny fihetsiketsehana rehetra. Napetraka ny sonia mampifaningotra, ka ny tantsambo mpitazona ny familiana mihitsy no nandrasana hanaiky ny tetika rehetra. Indrisy, fa na dia nikofokofoka izay tsy izy nikarakara ny fitsapan-kevi-bahoaka aza, mbola atahorana ho rendrika ihany ny sambo. Tsy sanatria mavesatra loatra, satria tsy ny vahoaka Malagasy manontolo akory no ao anatiny. Ho rendrika atsy ho atsy raha toa ka tsy mailo. Ny antonym ? Mitanila be ihany ny firosony eny ambonin’ity ranomasina toa ho ritra koa. Mavesatra ila satria tsy mifandanja ny hery. Tavela – na marimarina kokoa, niniana navela ny ambiny. Ninoan’ireto nifandray tendro fa ampy hampisosa ny sambo ny paikady sy tetikady hampanonofinofisana ny mpihorakoraka. Angaha ho vitan’izany izy ity ? Sambo lehibe manam-panahy anie no tianao horirotina tsy amin’antony. Sao mba tsy rariny ?

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra