mer.
19
janv.
2011
Raha nanontaniana ny mpanolon-tsaina manokan’ingahy Rajoelina sady filohan’ny antoko AVI mikasika ny fampiakarana ny karaman’ny mpiasam-panjakana dia tsy nisalasala izy namaly fa ilaina tokoa iny fampiakarana iny, « manala ny elanelan-karama eo amin’ny samy mpiasam-bahoaka io fampikarana io, raha jerena mantsy dia misy amin’ireo mpiasam-panjakana no mandray vola aman-tapitrisa maromaro misy koa ny mifanohitra amin’izany koa rariny kosa raha mba tsinjovina manokana ireo mikarama farany ambany »
Tsy midika ho fanomezana vahana ireo vahiny ve ilay hoe : « résidences des résidants » ?
« koa maninona moa ? tsy misy afa tsy trano iray anie no hataony amin’izany, aiza ary izy no hipetraka ? nefa izy mba maniry ny hampiasa vola eto amintsika. Dia hafatiantoka ho antsika ve izany fa anjarantsika fotsiny ny manara-maso azy ireny mba tsy hiteraka olana. Tsy ho tafavoaka mantsy isika raha ny vola anatiny ihany no hoentina manatanteraka ireo vinavinan’asa rehetra ireo fa ilaina ny mpamatsy vola. Noho izany hatao izay hahatamana azy eto amintsika. »
Ary ahoana ny momba ny famotsoran-keloka ?
“ Efa nanao volavolandalàna momban’io famotsoran- keloka io izahay AVI tamin’ny fotoan’androny fa tsy neken’ny TIM, noho izany tokony hatao izany fa ny zavatra tsy ekena kosa dia ny fandatsahan-drà sy ny famonoan’olona”
Tokony hilatsaka amin’ny fifidianana filoham-pirenena ve ingahy Andry Rajoelina ?
“Raha araky ny lalàna dia olona tsy meloka izy, tsy misy sakana arak’izany ny hilatsahany ho fidiana. Anjaran’ny vahoaka ny mitsara na tiany izy na tsia toy ny fifidianana rehetra io ka aleho andeha dia ho hita eo”. Mety ho tapitra amin’ity taona ity ihany ve izany ny tetezamita? “ Efa nilaza ny filoha fa ho taonan’ny fifidianana ity taona ity ka ho vitaina avokoa ny fifidianana rehetra. Tsy hisalasalana arak’izany fa tsy maintsy ho tapitra amin’ity taona ity ny tetezamita”