jeu.

20

janv.

2011

Nametra-pitoriana ny filoha Ravalomanana Marc

Eo am-pelan-tanan’ny fitsarana ny ho avin’ i Madagasikara. Omaly 19 janoary 2011, dia nametraka fitoriana eo anoloan’ny Doyen des Juges d’Instruction eto Antananarivo ny filoha Ravalomanana Marc, noho ny toe-javatra niseho teto amn’ny firenena ny taona 2009. Ar a k a ny f amos ana nataon’ny lieutenant-colonel Andrianasoavina Charles, izay namboraka sy nanaiky fa fanonganam-panjakana marina no niseho tamin’ny 17 martsa 2009, dia mazava fa tsy navela namita ny fe-potoana hitondrany ny fanjakana hatramin’ny taona 2012 ny filoha Ravalomanana, kanefa izy dia voafidy ara-pomba demokratika..........

Mazava araka ny voalazan’io manam-boninahitra io ihany fa fanafihana mitambasy no niseho teto amin’ny f i renena. Endr ik a mar o helohin’ny zo iraisam-pirenena izany, indrindra ny zo araka ny voarakitra anatin’ny fifanarahana sy ny fenitra eto Afrika. Voalazan’ny taratasy napetraky ny filoha Ravalomanana eny amin’ny Doyen des Juges fa azon’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara enjehina sy melohina ireo tompon-kevitra sy mpanatanteraka ary miombon- kevitra tamin’io fanonganam- panjakana tamin’ny martsa 2009 io. Noho izany, « miantso ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny Fitsarana malagasy hanatanteraka ny adidiny mikasika izany » ny filoha Ravalomanana. « Fotoana tokana hahafahan’ny mpitsara maneho ny fahalalahany sy ny fahaleovantenany, eo imason’ny vahoaka malagasy sy izao tontolo izao, ny fandraisana an-tanana ity raharaha ity, satria eo am-pelantanany ny famerenana ny tsy fiandaniany eo ampametrahana ny lalàna sy ny rariny. »

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    ratsiferana (jeudi, 20 janvier 2011 20:32)

    Ataovy Ravalo izay hiverenana eo amin'ny fitondrana a...ary aza manao toy ny taloha intsony fa mba jereo izahay vahoaka tsy mandady harona mahantra sy ketraky ny fiainana miaka-dava sy tsy mahita mangirana ireto.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra