jeu.
20
janv.
2011
Ingahy Siteny Andrianasoloniaiko, filohan’ny federasiona Malagasy taranja judo no voafidin’ireo filohana federasiona hitantana ny komity olimpika Malagasy indray ato anatin’ity fepotoam- piasana izay hifarana amin’ny taona 2012 ity. Io no vokatry ny fivoriambe fifidianana fanavaozana ny komity mpitantana ny KOM tetsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny talata lasa teo. Nahazo vato 10 izy teo amin’ny fihodinana voalohany raha 9 kosa no azon’Ingahy Ramaroson Jean Michel, filohan’ny federasiona Malagasy taranja basket-ball. Niampy iray ny vato azon’ny filohan’ny FMJ raha tsy nihetsika kosa ny an’ny filohan’ny FMBB teo amin’ny fihodinana faharoa. Mazava ho azy fa i Ramaroson Jean Michel no lany ho filoha lefitra voalohany ary Ingahy Stéphane Rakotondrainibe, filohan’ny federasiona Malagasy taranja tenisy kosa no filoha lefitra faharoa. Ny filohan ’ ny federasion’ny ady totohondry, Rabelahy Jonah kosa no lany ho sekretera jeneraly. Ingahy Relaha Jean Claude, filohan’ny federasiona Malagasy taranja hazakazaka am-bisikileta no ho mpitahiry vola. Ireto avy kosa no lanyho mpanolo-tsaina : Rakotomalala Marcel (FM Rugby), Randriamandranto Roty ( FM Ta e kwondo) , Gérard Naturel (FM Petanque) a r y Raoul Patrice (FM Handisport). Zaka Fils