jeu.

20

janv.

2011

Hidio mafy ny trano

Maty ny olona, tsy voaaro ny fananany, ary very fanahy izy ka manjary manaotao foana. Inona no antony? Tsy mahefa ny tokony hataony ny mpihazona ny fahefana ara-politika. Tsy vao izao akory no nahery vaika ny fanafihan-jiolahy, tsy vao omaly no nisy olona tsy manan-tsiny lavon’ny balan’ny malaso mitambasy. Tsy zava-baovao ny dahalo sy fikambanan-dratsy mandrafitra tetika handrobàna fananan’olona. Efa nisy izany! Ary nahery vaika hatrany ny fisehony hatrizay. Iza no tsy hahatsiaro ny tany Keliberano? Ny nataon-dry Sombila? Ry Mahandry? Ry Kouakou? Ry Dorick? Misy faty hatrany ireny fa tsy toy ny “fika” fanaon-dry Rainivoanjo mbamin-dry Mc Gyver (jiolahy io fa tsy ilay olo-malazan’ny film). Dia hankalazain’ny zava-bitany amin’izao fotoana ny “bande des douze” (mitovy isa amin’ny mpianatr’ilay mpampianatra fahiny), izay tsy mitapitapy sy mielanelana fotoana maharitra toy ny taloha, fa saika isan’andro vaky. Tsy andro, tsy alina. Ny tany ve no ratsy? Sa ny olona no miha-lany vatsy? Very hasina ilay fiteny nahazatra hoe: araraoty ny andro azo hanaovan-tsoa, fa miharatsy izao fiainana izao. Tsy izany intsony izao no filozofian’ny fiaraha-monin’ny Gasy: “Araraoty izay mihanahana fa mibanaka sy mitamatama ny hery tokony hampitahotra ny fanaovan-dratsy”. Veloma hatreo ny toe-tsain’ny “tain’omby mivadika”.................

Tsy maintsy mihilana any amin’ny tontolo politika ny resaka fandriampahalemana, na tian’ny tompom-pahefana na tsy tiany. Nisy hatrany hatramin’izay elabe teto izay ny ” jiolahy politika”. Ny fisehony sy ny tanjony, ary ny zava-bitany no miovaova araky ny vanim-potoana. “Jiolahy politika” satria hain’izy ireo no miafina sy manararaotra ao ambadiky ny fifanjevoan’ny mpanao politika. Moa tsy mpanao politika any ambony any no voatondron’ilay mpaka an-keriny, izay maty rehefa avy nanao fanambaràna sy voatifitra teo amin’ny feny, ary sarona tany Toamasina? Moa tsy efa nanao fanambaràna ihany koa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny fa noho ny korontana politika teto amin’ny firenena nandritra ny taona 2002 sy 2009 dia mbola be dia be ny fitaovam-piadiana tsy tafaverina eo anivon’ny mpitandro ny filaminana? Raha ireo no dinihina dia tokony ho jiolahy malefa-pihetsika toa an-dry Rainivoanjo ihany no nisy teto raha tsy nikorontana ny fomba fanaovantsika politika. Tsy afa-miala andraikitra amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana etsy sy eroa ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Moa tsy hararaotin’ireo jiolahy mitam-basy ireo, ny krizy politika mba hanatanterahiny ny asa malotony? Ary iza moa no sahy handiso ny eritreritry ny sarambaben’ny olona fa misy mpanao politika hatrany ao ambadiky ny herisetra sy fakàna an-keriny? Izany dia voaporofo matetika amin’ny tsindry “aloka” sy fanelanelanana ataon’ireny mpanao politika “zatra ny lalàn-dririnina” ireny, ka tsy ahafahan’ireo mpitandro ny filaminana hanao ny asany ankitsim- po sy am-pahamarinana. Voaporofo tsikelikely ankehitriny fa ny fifanandrinana ara-politika eto amin’ny firenena dia mitarika tsy fandriampahalemana, na any ambanivohitra, na ety an-tanan-dehibe. Koa rehefa vita ve ny dina politika hifampifehezan’ireo “mpiaro ny mpisetrasetra”, tsy mba hisy rirany ny asan’ny tena mpitandro filaminana? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 3

  • #1

    ratsiferana (jeudi, 20 janvier 2011 20:06)

    Efa voaporofon'i ltn col.Charles teny amin'ny tribonaly ny zava-drehetra fa asa izay mba ataon'ireto mpitsara lazaina fa mahaleo tena ara-pitsarana ireto e??????

  • #2

    tsy aritra (vendredi, 21 janvier 2011 10:25)

    Lazain'ireo mpitsara indray fa ry ltn col.Charles sy ny ekipany no notorian'i Ravalo fa tsy Andry Rajoelina araka ny vinavinan'ny maro.Mpitsara avy aiza ary ireo ary ilay mpitoery koa ve manaonao foana e????

  • #3

    speedos (vendredi, 21 janvier 2011 10:35)

    charles ahona koa e! Izay naniraka an'i Charles no toriana. Misy mampihomehy ny olona ra-tsyaritra a

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra