jeu.

20

janv.

2011

Fiaraha-miasa amin’ny mpandraharaha: Antsoy i Ben Laden

Tonga hampi a s a ny volany eto Madagasikara hono i Bernard Tapie ! Natao makotroka ny fandraisana ity tera-tany Frantsay, ary nihaona tamin’ny sehatra maro samihafa teo, ka isan’io ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Mpandraharaha efa nanana olana teo amin’ny fitsarana tany ivelany ingahy io, ary nisy tantara hafahafa, na dia nomen’ny fitsarana Frantsay fahafahana aza ny tenany. Tsy hidirantsika lalina izay fiarahana miasa, fa zava-dehibe ny hihazakazahan’ny vahiny eto, satria hampiakatra ny toekarena raha mitombina tsara ilay fiarahana miombon’antoka. Isika etsy ankilany, mitady fifanampiana amin’ireo firenena izay afaka hanao izany..........

Ny mahalasa fisainana, dia ny hoe efa mba voadinika tsara ve ny momba ireny vahiny milaza fa hampiasa ny volany eto amintsika ireny ? Toa nahoraka ery mantsy ilay fidiran’ingahy Bernard Tapie teto iny, ary avy hatrany dia tafiditra an-dapa mihitsy ny tenany. Be ihany ireo nambara fa mpanam-bola tonga hampiasa ny volany eto, fa mbola manjavozavo avokoa ny momba azy ireny. Isan’io ireo Saodianina manan-karena eran-tany, sy ireo kely maso nanaovana fifanarahana toy ny tany Soalala. Ny fisainan’ny olona aza manao hoe raha i Ben Laden koa ve no avelan’ny fitsarana iraisam-pirenena, moa afaka mampiasa ny volany eto, na dia efa fantatra aza ny zavatra hanenjehana azy, raha tsy hiteny afa-tsy ny asa fampihorohoroana maneran- tany e ? Toa faly mitanisa olona mpanankarena fotsiny mantsy isika, fa tsy mijery ny dossier-ny akory. Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    ratsiferana (jeudi, 20 janvier 2011 20:28)

    Tena faly mitanisa olona mpanankarena fotsiny mihintsy fa tsy mijery ny dossier-ny satria na ireo mpitondra ireo aza mbola mahita ny tenany fa mahantra mila ranondranony any am mpanankarena noho izy sao mba misy mipitika na dia 10% amin'ny fifanarahana fotsiny aza...Io anie na misy fifanarahana amin'arivony aza eo tsy ny vahoaka no mahazo tombony fa ny mpitondra sy ny mpampiasa vola e!!!!!Raha izay fanampiana(vola)rehetra niditra teto Madagasikara izay ve no hotanisaina tsy efa mpanankarena nohon'ny Amerikanina ny Malagasy???

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra