mar.
18
janv.
2011
“ N y m p h o m a n i e ”. Fikorontan’ny fiainana arapananahana mety hitranga amin’ny vehivavy. Gasian’ny maro fotsiny amin’ny hoe vehivavy misy foza, noho izy manana filana hanao firaisana ara-nofo be loatra, izay mety hanimba ny fiarahan’olonkafa. Ny momba izay indray no horesahantsika anio. Avy amin’ireo zazavavindrano tantarain’ny angano grika no nihavian’ny teny hoe “nymphomanie”. Ireo vehivavy mila manao firaisana ara-nofo isaky ny mihetsika izao, tsy manam-pahataperana no tratry ny “nymphomanie”. Tsy misy ifandraisany amin’ny fihetseham-po tia anefa izay filana izay. Mila firaisana aranofo dimy ka hatramin’ny folo isan’andro ny vehivavy miaina izany vao afa-po. Manahirana ny mpikaroka ihany ny momba ny “nymphomanie” satria tsy hita izay ifehezana azy. Misy ireo manazava fa fikorontanana ara-tsaina mihitsy no mahatonga azy, toy ireny mila alikaola na zava-mahadomelina ireny. Misy ihany kosa anefa ny fanazavana izay mampifandray azy amin’ny tsy fahatomombanana arabatana. Fanafody manokana no itsaboana ny vehivavy “nymphomane”. Torohevitra tsotra ihany no azo atao dia ny aza voany sy ny aza sendra azy.