mar.
18
janv.
2011
Aleloia a ! Tsy misy tahaka ity hatrizay niainana, fa izay vao ho tojo ny tany kanana i Madagasikara. Voninahitra anie ho an’ireto mpitondra antsika ireto, ary fiadanana ho an’ny vahoaka malagasy, fa nomen’Andriamanitra mpitondra mahay sy manao fahagagana isika. Fahagagana satria ny sambo norohizan’ny sasany rojo vy tsy hihazo ny tanjona alehany aza, nisosa tsy nisy olana, na dia nanelingelina avokoa aza ny sehatra iraisam- pirenena sy ny vahoaka mpanohitra tao aminy. Ireo Piraty miseho milay, aiza no hiafaràny fa tsy any am-ponja ? Ny mpandeha ilay sambo tao anatiny, moa tsy voky vary daholo amin’izao fotoana, ary miadana ery, satria raha hazandrano roa sy mofo dimy no nahavoky ny vahoaka tamin’ny andron’i Jesosy, roa arivo taona lasa izay, fa asa sesehena sy vahoaka ho voky kosa no hita amin’ity taona 2011 ity...........
Ny sakafo no nataon’ny Tompo ho an’ireo mpino azy sy manatrika azy mitory teny, fa asa toy ny Hopitaly, kianja, fanaovantsiramamy ary vahiny maro hampiasa ny volany no ho vitan’izao tetezamita izao. Ireo very asa vokatry ny fanonganam- panjakana izany, dia ho tonga tsy ho ela any amin’ny tany kanana, rehefa nampisedraina ny mafy indrindra nandritra izay roa taona nijoroan’ity tetezana ity izay. Mahay mampiadana ny mpitaingin- tsambo ihany koa ity kapiteny ity, satria taiza hatramin’izay nipoiran’ny voamaso no nisy karaman’ny mpiasam-panjakana niakatra 25% ny karama farany ambany indrindra? Na eo aza ny krizy, misy foana ny vola e. Izany indrindra no tsy olana na hiara-miasa amintsika ireo firenena mpamatsy vola na tsia. Misosa tsy misy mpanakana izao ny sambo, satria efa ripaka avokoa ny Piraty rehetra. Ny mpiana-kendry efa nomena tapakila maimaimpoana ao anaty fitondrana toy ireo TIM nivadika. Tsy misy ilàna izany fifanarahana vaovao izany tokoa, satria ny sambo tsy afa-mihetsika no mila mpanosika. Ny manaitra anefa, dia ny fandrenesana fa hiova tsy ho ela ny Governemanta ary hisokatra amin’ny tsara sitra-po ny fiarahana mitondra ao. Sambo mizotra tsara ve ry namana mbola ilàna fiarahana mitantana aiza indray a ? Ento amin’izay hitiavanareo azy, fa aza zarazaraina izany ny mofo mamy. Sa mbola atao tampi-maso amin’ny firenena eran-tany fa misokatra izao fitondrana izao, ka sao mba hisy fitserana any ivelany ny mety hankatoaviny ity sambo ambara fa tojo ny iriany ity. Am-bava tsy tia fa ampo taralila. Raha ireo kabary natao hatramin’izay anie no tanteraka, na ny Tompo aza tsy nahavita fahagagana toy izany e. Aiza izao ilay vary Ar 500 ny kilao sy ny menaka Ar 1200 ny litatra ? Aiza ilay force one two ambara fa hamidy ary hividianana vary ho an’ny malagasy ? Nankaiza ireo mpandraharaha vahiny Printsy Saodianina milaza fa hanampy antsika amin’ny lafiny maro ? Nohadinoina tokoa ilay teny nalaza hoe « na aiza na aiza ahitana fanafody hahasitrana ny firenena, dia andeha hidinika amin’izany aho ». Efa sitrana angaha ny firenena no tsy mila dinika hamahana krizy intsony ? Sa efa lasa ny zavatra taloha, hoy i Paoly ? Isika rehetra no mandinika ireny kabary ireny, fa ny masoandro ho an’ny FAT tokoa no mihiratra, fa ny fiainan’ny malagasy maizina. Amen ! Imasomahita
Ka famonjena ho an'ireo ivelan'ny sambo kosa no nolazainy fa tsy fisokafana loatra koa!!!
voninahitra d hoan'Andriamanitra irery ihany.
