mar.

18

janv.

2011

Jabora tsy azo hatono

Ndao daholo àry isika Gasy rehetra hiara-mirona ao anaty sambo vaventin’ny Fitondrana avon’ny tetezamita, satria efa taitra sy miarin-doha ny mpitarika fa tsy niesona sy natory intsony. Manoatra koa noho ilay tantara ao anaty Boky Masina izy ity, ka te-hihiaka mafy ny mpitarika hoe : Aiza ny finoanareo?, raha nitodika tamin’ireo mpimenomenona tao anaty sambolay Izy, satria onja mahery sy tafiotra anie izany ‘rey olona e ! Teny tokana dia nitsahatra sy niverina ny fitoniana. Fa tamin’iny Zanak’Andriamanitra no tonga hitady sy hamonjy ny very, no nahavita nampitony ny tontolo. Ny amin’izao vanimpotoana iainantsika izao kosa dia « hafakely » satria vao narotsaky ny 53%n’ny vahoaka tokony nifidy ny vatony ny 17 Novambra tamin’ny taon-dasa, dia nijanona ny tafiotra, ary niposaka ny masoandro, tony koa ny ranomasina. Ary mitodika amin’ireto « mazan-doha » ny mpitarika ny tetezamita ankehitriny : Inona no tianareo Gasy sy ny mpanao politika mila famonjena ao anaty rano ao ? Jabora tsy azo hatono, sa loson’akoho mitete menaka ? Na ilay «badrahodra » tsy manan-kialofana manamorona ny lakan-dranon’Andriantany aza, no asaintsika mikabary sy mamorona resaka mba hanambatambazana ny mpihaino azy, dia azo antoka fa hahavita fampanantenana marobe sy azo hiteleman- drora ihany koa izy. Saingy raha ireny olona « mpitrongy vao homana » ireny no miteny dia tsy maintsy ho voakiana avy hatrany hoe : adala sy hondrakondrafana. Fa raha mpitondra fanjakana no manao kabary feno fampanantenana, dia ireo rehetra mino izay lazainy indray no ho voatondro ho « adala ». Satria nahoana? Efa marobe ny tantara nodiavina sy nolalovana ka tsy maha-rototra intsony. Efa im-piry moa ny Gasy nandritra ny roa taona izao, no nampanantenaina fa hatsangana ny governemanta iraisana sy ho amin’ny fisokafana? Fa tsy izany ve no antony nanerena an’ilay Praiminisitra voalohan’ny FAT tao anatin’ny 72 ora?..................

F’angaha tsy fisokafana sy nambara ho fanavotam- pirenena no nampidirana ireo minisitry ny ati-tany sy ny jono tamin’izany ohatra? Avy eo dia io Praiminisitra io mihitsy no nailika fa mbola tsy nisokatra tsara angamba ilay izy tato aoriana? Fa amin’izao fotoana izany dia “mibanaka tanteraka” ny varavarana ka hiditra daholo izay mbola ety ivelany? Dia efa fantatra mialoha fa tsy maintsy ho “haingom-bato” fotsiny ireto vao ho tonga. Ny programa tsinona efa masaka sy narentirenty ho hitan’ny maro fa foto-drafitr’asa marobe no hatao, fifidianana mifanesy no hotanterahina. Inona izany no mba hatolotr’ireto vao ho avy? Mba afaka hisoka-bava haneho ny heviny ve ireo? Ho sahin’ireo ve ny hanambara fa tsy mbola tokony hanao izao sy izao isika fa ireto aloha no mahamaika? Hisy hihaino ve? Matoa miditra amin’ity fisokafana ity dia tsy maintsy hanatanteraka ny programan’ny mpitarika, na tianao na tsy tianao. Tsy maintsy hitsentsitra ilay loson’akoho mitete-menaka. Higoka ny mamy sy hiadam-pinaritra, ary hanadino ny hevitra nimatimatesana tety ivelany. Izay ihany no sary tsy maintsy hiainan’ny Gasy , hatramin’izay ka hatramin’izao. Mampilela-molotra ny jabora mihantona an-joron-trano kanefa tsy ho azonao hatono akory satria misy tompony, tsy nifanarahana ny fomba hampiasana azy, ary indrindra mety hisy “voan-kanina”. Ny jabora tsy azo hatono dia vatokaranana, raha ny ankamantatry ny ankizy fahiny, ary ilay hoe: loson’akoho mitetemenaka dia tongo-boka. Izany hoe: Samy tsy misy azo hampiasaina ireo fa vao maika aza hanahirana. Tsy hitondra vaha-olana ny fisokafana tsy misy tanjona tian’ny mpitondra avo hatao, ary vao mainka ho lasa fampandriana adrisa fotsiny ireo fampanantenana amin’ny fanaganana foto-drafitr’asa marobe. Tsy maintsy ireo tera-tany vahiny nantsoina hampiasa ny volany sy hamahatra eto no hitondra sy hifehy ny toe-karentsika. Tsy maintsy ny politikan’ny “hevitro ihany” no hotanterahina sy hohajaina eto. Mbola hitohy ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny andavanandrom- piainany. Mbola tsy hanana tanjona ny ankamaroany fa hitolona ho amin’ny anio fotsiny ihany. Hitono jabora tsy hidina an-tenda e! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra