mar.

18

janv.

2011

Fako ariana anaty tatatra: Ngidy no jinjaina any am-parany

Loza mitatao ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny fako ariana anaty tatatra sy ny tsy fahampian’ny fivoahandrano maloto. Santionany amin’ireo olana sedrain’ny mp o n i n’An t a n a n a r i v o Renivohitra anefa ireo. Misy ny tetikasa fampivoarana ny fahadiovana eto amin’ny tanànan’Antananarivo iarahan’ny UNICEF sy ny FID ary ny BMH-n’ny kaomina Antananarivo, amin’ny alalan’ny asa takalo sakafo. Olona maherin’ny 64000 eo no kendrena hahazo tombontsoa amin’ity tetikasa ity. Tetikasa natao indrindra hamatsiana vola ireo asa fanadiovana tatatra, fakana fako eny anivona fokontany vitsivitsy eto Antananarivo sy fanatsarana ireo fotodrafitrasa mifandraika amin’izany..............

Tafiditra indrindra anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ihany koa aty an-drenivohitra. Efa misy ny komity manokana misafidy ireo olona hanao ny asa. Sady fitsinjovana azy ireo hanomezana asa tselika azy ihany koa ny tetikasa, ankoatra ny maha-asa fanadiovana azy. Tsikaritra tokoa amin’izao fotoana izao fa lasa toerampanariam- pako ny tatatra maro eto an-drenivohitra. Mahatonga tondra-drano amin’ny far itra iva sady mampiparitaka ny loto izay miteraka aretina anefa ny fahatsentsenan’ny tatatra sy ny tsy fahampian’ny fanadiovana matetika. Antony maro no miteraka izany raha ny eto amin’ny tanànan’Antananarivo manokana. Eo ny fitomboan’ny isan’ny mponina tsy an-kiato, ny tsy fahampian’ny trano fivoahana sy fidiovana ho an’ny daholobe izay tsy mifanentana intsony amin’ny isan’ny mponina, ny tsy fahampian’ny drafitra fanajariana ny tanàna, ny tsy fahampian’ny daba fanariam- pako sy ny tsy fanalana azy ireny ara-potoana, ny tsy fanajan’ny mponina ny fahadiovana … Araka ny antontanisa rahateo dia mbola olona efatra amin’ny folo, izany hoe ny 41%-n’ny mponina eto amintsika no afaka mahazo rano fisotro madio. Mbola ny 88%-n’ny trangam-pahafatesana ihany koa anefa dia vokatry ny loto sy ny tsy fanajana ny fahadiovana avokoa. Manana ny heviny momba izany rahateo ireto olona sendra anay ireto. Monica

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra