lun.
17
janv.
2011
Kabary nanehoan’ny filohan’ny tetezamita, Rajoelina Andry, ny maha mpitantana ny firenena azy ny kabary teny Iavoloha, omaly. Tsy tetezamita velively no iheverany ny fanjakana tantaniny, fa « Repoblika » mihitsy. Fa tena filoham-pirenena angaha moa izy ity, na tsy nofidiam-bahoaka aza ? Inona moa no andraikitry ny fanjakana tetezamita ? Fandaharan’asa ranofotsiny. Niketrika mihitsy ny filohan’ny Fat amin’ireto tetikasa maro. Nohazavain’ny praiminisitra moa fa ny vadiny, Mialy Rajoelina, no mpanolo-tsainy voalohany, ka tsy mahagaga, satria « fitiavana » no manosika azy.
Ho avy ny vahiny Ny aina no matezà, hoy ny filazan’ny Ntaolo azy. « Hamorona asa isika » ka na ny very fanahy mbola velona teo aloha teo aza, mety ho velom-bolo indray. Ireo very asa, nanao ny tsy nety ka nivarina an-kady izany izao, mety ho latsa-panenenana tanteraka................
Aiza ve ka dia asa tsy latsaka ny 200 000 be izao no hipoitra avy amin’ny fa nanganana ny « Résidence des résidents », hipetrahan’ireo vahiny mpampiasa vola ho avy tsy ho ela. Eny e ! Amin’ity taona 2011 ity izany ! Asa aloha, fa tsy fantatra tao amin’ny kabarin’ny filohan’ny Fat : tany mirefy 1 500 000 metatra tora-droa no « hanjakan’ »ny fanjakana Fat hanorenana ireo « villas » be dia be, ka manodidina ny vola Ar 3 000 lavitrisa no hihodina. Tsy ho very maina izany, satria ny fahazoan-dalana hanorina fotsiny no eritreretina hamerina vola Ar 500 lavitrisa. Ho avy ny vahiny, hitombo isa ny fiaramanidina hisidina an’i Madagasikara, hiakatra ny harin-karena faobe. Ho sambatra i Gasikara. Ka na tsy hisy aza ny fankatoavana avy ami’nny fianakaviambe iraisam-pirenena, dia tsy hanakana ny fahatongavan’ny vahiny eto an-toerana izany. Ny Fat rahateo hanatanteraka ny « Forum international des investissements touristiques ». Ny « mpandraharaha goavana indrindra eran-tany no ho avy », hoy ny filohan’ny Fat.
Tsy azo hihodivirana i Madagasikara Fanamby napetraky ny filohan’ny Fat ihany koa ny hampakarana ny hasin’i Gasikara, eo imason’izao tontolo izao. « Mbola ny Oseana Indiana ihany aloha no iadiana, ka tsy azo hihodivirana ny miantsena eto amintsika. Satria nahoana ? «Hatsangana tsy ho el a (tsy maintsy vita amin’ity taona 2011 ity), ny « Centre commercial » manara-penitra. Tsy ho sahirana ny mpivarotra, higalabona ny mpiantsena sy ny mpanjifa. Tsy voalaza kosa raha toa ka hidina ny vidin’entana izay mampikaikaika amin’izao fotoana izao... Ho tanteraka tokoa anie ireo !