lun.
17
janv.
2011
Eo am-panomanana ny hisokafan’ny Radio Fahazavana ny tompon’andraikitra foibe FJKM amin’izao fotoana izao. Efa manatanteraka ny asany ny mpiasan’ny radio Fahazavana, hisokatra atsy ho atsy. “Heverina, hoy ny filohan’ny FJKM Rasendrahasina Lala, fa hihaino ny feon’ny Fiangonana mikasika an’io ny fitondram-panjakana”. Anisan’ny nisongadina io nandritra ny fanompoampivavahana lehibe notanterahan’ny fiangonana FJKM tetsy Antsahamanitra, omaly alahady. Fotoana nitondrana am-bavaka ny taom-piasan’ny FJKM manerana izao tontolo izao, sady fiarahabana manokana ny filohan’ny FJKM mivady, nahatratra ny taona 2011 ka nanoloran’ny birao foibe sy ireo solontenan’ny sampana rehetra ary ny fiangonana ny fankasitrahana ny mpitandrina Rasendrahasina Lala mivady. Maro hatrany ny asa miandry ireo tompon’andraikitra raha tsy hilaza afa-tsy ny fiandraiketany ny fitantanana ny FFKM, sy ny maha filohan’ny FFKM ny filohan’ny FJKM izay hotanterahina amin’ny 23 janoary ny famindram- pahefana, eny amin’ny FJKM Ambohipotsy............
Hisy sahady ny seminera FFKM amin’ny 20-21 ary 22 janoary izao, eto Antananarivo. Eo ihany koa ny fananganana ny vaomieran’ny fiainam-pirenena izay entina hanabeazana ny olom-pirenena sy hitaizana ny mpino kristiana. Mame t r a k a t anjona goavana ny FJKM mba ho fiangonana mamirapiratra. Raha atao indray mitodika mantsy ny fiainan’ny FJKM hatramin’ny taona 2008 no mankaty dia tsy ny maha kristiana no misongadina. “Tsy misy fihavanana sy fahamarinana eto noho ny ataon’ny mpanao politika”, araka ny tenin’ny filohan’ny FJKM. Mikasika izany indrindra ny fahatsiarovana ny fodiamandrin’ireo mpitandrina sy ny zanaka mpitandrina tamin’ny fomba mampalahelo, ka nitondrana am-bavaka ny fanahin’izy ireny. “Tsy ho maloka tahaka ireny intsony ny tontolon’ny FJKM fa hiainana fihavaozam-panahy tokoa.” N y F J KM f o i b e n o tompon’antoka tamin’ny fanomanana ity fanompoampivavahana ity niarahana nisalahy tamin’ny synodamparitana 4 eto an-drenivohitra sy ny manodidina izay voasolo tenan’ireo antoko mpihira avy amin’ny FJKM Ziona Fahazavana Anosibe, FJKM Ambohipotsy, FJKM Andraisoro ary ny FJKM Manjakaray. Isaky ny alahady fahatelo amin’ny volana janoary no hanaovana izao fifampiarahabana izao, ao anatin’ny lohahevitra hoe “Manambara ny tenany amintsika Andriamanitra”. Ny mpi tandr ina Max Randriamora, mpitandrina miasa any Frantsa kosa, no nitondra ny teny fiarahabana sy fanolorana ny fanomezana ho an’ny filohan’ny FJKM mivady. Farany, hanamarika ny asan’ny FJKM ny fiofanana fanampiny ho an’ny mpitandrina amperinasa rehetra.