lun.

17

janv.

2011

Mitelin-kozatra

Na dia ny tolakandro aza vao nanomboka ny kifetifety mahazatra tany an-dapa tany iny omaly iny, dia mba niandriandry izay zava-baovao sy tena misongadina ny ankamaroan’ny « tsy manan-katao ». Ireo tsy manan-katao sy mandany andro amin’ny hazo tsy misy voany sisa no nanantena fahagagana amin-javatra efa fantatra mialoha toy ireny. Raha sakafo sy fety fiarahabana tratry ny « taona vaovao » no ataon’ireo « manankatao » sy tompon’andraikitra eto amin’ny firenentsika, dia mba anjaran’izay mijery fahitalavitra sy mihaino radio nanaraka an’izany kosa no mitelin-drora, na koa mitelin-kozatra amin’izay voalaza teo. Tsy mifantoka loatra amin’izay lazain’ny mpandaha-teny fa mba mitsikilokilo fitafy sy hetsika vaovao e ! Na fiteny vaovao koa ! Iza no tao ? Ary ny paozin-dRanona toa mampihomehy be ? Ary toa tsy tazana mihitsy ry zareo avy any Ananona? Izany no Gasy mijery ny mpitondra azy. Tsy mihevitra ny hanome lanja, na hanantena zavatra fa aleo hatrehena ny anio , fa ny rahampitso dia mbola any an-kibon’ny omby...............

Efa azonareo an-tsaina tokoa ve fa misy mpitondra sy mpanao politikantsika eto dia “miraikiraiky” mihitsy rehefa miresaka sy mba hanontaniana ny heviny? Tsy hay izay any an-dohany any fa mijerijery ny manodidina, manarak’efa fotsiny izay lazain’ny hafa, tsy mba manana zavatra halahatra sy hiadiankevitra. Tsy sahy manambara izay tena heviny fa manaraka ny fikorian’ny rano hatrany. Na inona na inona lazaina azy dia feno fisalasalana, tsy mahatsapa tena ho tompon’andraikitra. Variana miady andraikitra (fa tsy seza?). Raha misy tokoa ny mpanao politika toy izany dia ireny ilay mpampitelin-kozatra ny Gasy. Mampihinana hena tsy fantatra anarana, mampanantena vorona an-danitra. Somebiseby sy mivonona ho tompon’antoka amin’ny fisehoan-javatra rehetra atao eto, kanefa dia mpandositra adidy amin’ny fivarinan’ny firenena. Ireny ilay mpamonjy lanonana sy mifaly fotsiny amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy. Dia tsy hahagaga sy haharototra ny rehetra intsony ilay fifanasana vangy tsy mitera-bokatsoa, tsy mino ny hahombiazan’ny dinika sy fifanasohasoana mahazatra ny ankamaroan’ny mpitazana. Nandany fotoana lavabe tokoa isika nandritra izao tolon’ny fanovàna izao, kanefa nanjary tsy nifampahatoky intsony na ny mpinamana sy ny mpiara-mitolona hatrizay, zary lasa mifamitaka, mifamely fantsy , sy mifampitorotoroka. Tsy manana raiamandreny to teny intsony. Anarany fotsiny no mifampiarahaba rehefa tonon-taona toy izao fa mifamadika ambony ambany ny fomba sy ny kolontsaina tokony hifampitaizana. Ny noheverina hohajaina sy ho mpitondra no lasa mifanahin-jaza sy tsy mety handroso vaha-olana. Tsy manana halahatra fa ny famerimberenana ny hadisoana efa fanao teo aloha ihany no dokafana sy hampilendalendana amin’ny teny vaovao hoe: fanovàna. Raha mbola ny mpitondra no mihevitra ny vahoaka entina ho “tsy mana-katao” fa hitehaka fotsiny, na hihinana ambolony izay lazaina azy dia tsy hisy fampandrosoana ho vanona eto. Tsy ifamitahana ny politika, fa ifandresen-dahatra. Tsy hisy olona resy lahatra hanaraka foto-kevitra iray ho amin’ny fampandrosoana, raha mbola terena hitelin-kozatra hatrany izy. Ho very an-javony hatrany ilay hery hampiainga ny fientanana any anatiny any. Tsy hahatoky sy tsy handany andro hihaino “fampanantenana” intsony izy. Ho toy ny rano hatondraka lamosingana ny hevitra haroso raha vao tsy fantany sy tsy hifanarahana aminy ny tanjona ho tratrarina. Izany no miteraka ny fikomiana eo amin’ny sosialin’ny mponina, mampitombo ny tsy fandriampahalemana. Tsy Gasy hampanaovina asa an-terivozona toy ny tany amin’ny andron’ny fanjanahan-tany intsony no “vahoaka” eto, fa Gasy mahataka-javatra, saingy minia tsy mihaino satria very hasiny ny politika hitondràna ny taniny, mihamalemy hatrany ny tanjaka tokony hananan’ny mpitondra tena mahafehy fanjakana. Aoka tsy ho ny vahoaka no terena hamaha ny olana politika eto, fa ny mpanao politika no tsy maintsy mamaha ny olam-bahoaka.Raha tsy izany dia aza mikabary intsony, aza asiana lanonana intsony fa tsy misy mpihaino e! Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra