lun.

17

janv.

2011

Ministry ny fitantanam-bola: Mitady « felaka » ?

Kasain’ny mpitondra ao amin’ny fahefana avon’ny tetezamita (FAT) atao varoboba ambongadiny amin’ny sinoa ve i Madagasikara ? May ve ny endim-boanjon’ny ao amin’ny FAT, ka tadiaviny atao tantely afa-drakotra sy hoentiny mitsambiki-mikimpy any anaty longoa mitoto-bozaka miaraka aminy i Madagasikara sy ny harenany ? Fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao maro, indrindra ireo mpandraharaha ara-toe-karena eto amintsika izany, noho ny hiheveran’ingahy Rajaonarimampianina Hery, ministry ny fitantanam- bola, hanao fifanarahana amin’ny orinasa sinoa iray antsoina hoe « China International Fund Limited » (CIF) hanangana orinasa hampiasa ny volany eto amintsika eo amin’ny seha-pihariana toy ny fambolena, indostria, fizahan-tany sy harena ankibon’ny tany. Orinasa iray antsoina hoe « Madagascar Developement Corporation » iarahan’ny fitondram-panjakana sy io orinasa sinoa io no hajoro hanatanteraka izany « fiaraha-miasa » hafahafa izany, ka 15% amin’ny renivola ampiasaina amin’izany no anjaran’ny fitondrana Malagasy fa ny 85% an’ny CIF, ilay orinasa sinoa...............

Ary amin’ny maha orinasa mpampiasa vola azy (société financière), dia afaka mametra-bola ampiasaina any amina orinasa hafa eo ambany fanarahamasony izy. Izay no votoatin’ny taratasy « communication verbale », halefa sa nalefan’ingahy ministry ny fitantanam-bola any amin’ny filohan’ny FAT, ny praiministra sy ireo mpikambana amin’ny governemanta hodinihinna sy hangatahany ny fankatoavan’izy ireo. Handihizan’ny sinoa Mazava araka izany fa hisandrahaka hanao toy ny oritan-dranomasina (pieuvre à tentacules) hanao ampihimamba ny seha-pihariana rehetra eto amintsika io orinasa io raha tafajoro. Moa tsy ny mitovitovy amin’izany no nanenjehana an-dRavalomanana Marc tamin’ny « raharaha Daewoo » izay mbola vao teo am-piheverana azy fotsiny kanefa nampiongana ny fitondrany tamin’ny taona 2009 ? Sa tetika entin’ingahy ministra hampiongana an’i Andry Rajoelina toy ny nahazo an-dRavalo koa ny toy izao ? Tokony hisy ny mangarahara momba io raharaha io ? Ary mba efa fantatry ny vahoaka Malagasy ve io tetika hivarotana ambongadiny an’i Madagasikara amin’ny sinoa io, satria ny 85%-n’izay tombom- barotra amin’io jirika io dia tsy ho an’ny vahoaka malagasy sy i Madagasikara velively ? Aiza ireo CT sy CST milaza azy ho solontenambahoaka ireo amin’izany ? Tampi-dalan-kaleha tokoa ve ny FAT ka mitady loharanom- bola « tsy misy fofona ( ?) » any amin’izay mampiranty « mena miraviravy » fa kinkina ? Ary inona no takalom- patsa omena an’ingahy ministra sy ny mpitondra amin’ny fankatoavana an’io « tetik’asa fampandrosoana » io ? Sa efa mandrimandry any ho any ny hanaganan’izy ireo ny orinasany manokana avy amin’ny loharano « fantsakana » rehefa ho tonga ilay hoe « toerana hifandimbiasana » ? Amin’izao fihantonan’ny famatsiam-bola avy amin’ireo mpamatsy vola mahazatra, toy ny banky iraisam-pirenena sy ny ireo firenendehibe, samihafa ankoatra an’i Frantsa, izay niara-niasa tamin’i Madagasikara hatramin’izay teo amin’ny sehatry ny fampandrosoana, dia ny lalana toy izany ve no hitan’ny fanjakana hanavotan-drevo ny toe-karena potika noho ny fiziriziriana politika ? Sa izany no nanaovana angoan-tenda hoe « fanovana » ? Na fy tokoa aza ny amalona, ny lela tsy atao jono e ! Tangena

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra